Raikitra ny sakoroka – Mpangalatra omby matin’ny fitsaram-bahoaka
Hitady hahazo vahana indray ny fitsaram-bahoaka raha nangigina tao ho ao. Lehilahy iray indray no matin’ny fitsaram-bahoaka, ny sabotsy alina teo, tany Miandrivazo. Telo lahy izy ireo no nanafika valan’omby tao amin’ny tanànan’Ambatomena, tokony tamin’ny 6 ora hariva. Nirongo basy vita gasy sy zavatra maranitra izy ireo nentina nampitahorana ireo fokonolona saingy tsy nandaitra izany. Niezaka nanohitra hatramin’ny farany mantsy ireo lasibatra ka raikitra ny sakoroka. Tonga nanampy azy ireo koa ny polisy mpandrindra ny fifamoivoizana. Tetsy ankilany anefa dia tsy nandositra mihitsy ireo olon-dratsy ka voatifitra teo amin’ny kibony ny mpangalatra iray raha toa ka tafaporitsaka ny ambiny. Tsy nahafaty azy anefa izany fa mbola niezaka ny nanohitra ihany saingy tratran’ireo mponina ary niharan’ny fitsaram-bahoaka. Nofirain’izy ireo tamin’ny antsy lava be ny lohany ka simaka be. Nijininika tsy nisy ohatr’izany ny rà izay nitarika ny fahafatesany. Tokony tamin’ny 8 ora alina vao naterin’ireo fokonolona teny amin’ny polisy any an-toerana ny fatiny. Misokatra ny fanadihadiana amin’ny fitadiavana ireo tafaporitsaka.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







