Mahazoarivo – Zandary roa nofaohan’ny taksibe
Zandary roa ao amin’ny kilasy faharoa izay samy miasa ao amin’ny Ep1 eny Mahazoarivo no nofaohan’ny taksibe 113, ny 23 janoary lasa teo, tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Teny amin’ny fiantsonan’ilay taksibe no nisehoan’izany nandritra ny asa fiambenana nataon’izy ireo. Araka ny loharanom-baovao dia niniana natao ity niseho ity. Rehefa nianjera mantsy ireo zandary ireo dia mbola niverenana nodomina indray. Soa ihany tafarina haingana fa raha tsy izany dia asa angamba izay nitranga. Lasa nitsoaka ilay mpamily avy eo namela ilay fiara teo an-toerana. Naratra mafy dia nentina haingana notsaboina teny amin’ny hopitaly Homi izy roalahy. Nandray fepetra kosa ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana nitazona ilay fiara ao amin’ny Ep1 Mahazoarivo.
Sri-lankais iray kosa maty tany amin’ny Rn4
Sri-lankais iray kosa no namoy ny ainy tany amin’ny lalam-pirenena Rn4, ny ampitson’io, tamin’ny misasak’alina. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Andoharano, fokontany Ambohitrapovoany, kaominina sy distrikan’Ankazobe no nisehoan’izany. Araka ny voavao voaray dia niala lalana ny fiara marika Renault izay nentin’ity teratany Sri-lankais ity rehefa tonga tao amin’ny toerana voalaza io ary nivarina tany amin’ny hantsana mirefy 70 metatra miala ny arabe eo ho eo. Vokany, maty tsy tra-drano izy io raha toa ka naratra mafy ny olona miisa roa tao anatin’izany fiara izany, izay teratany Sri-lankais hatrany. Nalefa notsaboina tany amin’ny CHD Ankazobe avy eo ireo naratra ary tao amin’ny tranom-paty kosa ny vatana mangatsiaka.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







