Fiahiana ara-tsosialy – Hiakatra 65% ny fisotron-dronono
Manoloana ny fahasahiranan’ny malagasy dia nohatsaraina hifanaraka amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ny tolotra omen’ny orinasa ireo mpandray zo hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Cnaps. Efa voarafitra ny volavolan-dalàna vaovaon’ny Lalànan’ny Fiahiana ara-tsosialy. Voarakitra ao anatin’io CPS vaovao io fa hiakatra 65% ny fisotron-drononon’ny zokiolona ary tsy hisy intsony ny famerenana ny latsakemboka. Ho an’ny volan-jaza indray dia hiakatra 6 000 Ariary ny raisina isam-bolana isaky ny zaza raha 2 000 Ariary izany ankehitriny. Ho an’ireo tantsaha izay mandrafitra ny 80% ny malagasy kosa dia nampanantena ny mpitantana ny orinasa fa hivoaka mialohan’ny volana Jona 2016 ny volavolan-dalàna mikasika ny Fiahiana ara-tsosialy ho an’ny tantsaha ary atolotra ny fanjakana mahefa.
Nosokafana tamin’ny herinandro teo ny taom-piasana 2016 ho an’ny Cnaps ka Ambositra no nosafidiana nanatanterahana izany. Ho fanamafisana ny risi-pon’ny mpiasa dia notokanana ny trano fonenan’ny mpiasan’ny Tahirim-pirenena ao amin’ny renivohitry ny faritra Amoron’Imania. Zo fototra rahateo ny fananana trano fonenana araka ny fanambarana manerantany momba ny zon’olombelona hoy ny Tale jeneralin’ny orinasa. Fa nanamarika ny fotoana ihany koa ny fangananana tamin’ny fomba ofisialy ny Club Cnaps zandry olona tao Ambositra.
Ericka
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







