Brickaville – Zana-tsokatra 1000 natsipy teo amin’ny lalana
Zana-tsokatra 1000 isa no nisy nanary, tany amin’ny fokontany Ambinanidrano, kaominina Ambinanivory, izay 46 kilometatra tsy hiditra ny distrikan’i Brickaville, ny faran’ny herinandro teo. Olona sendra nandalo no nahita izany natsipin’ny fiara tsy fantatra avy aty Antananarivo. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ilay olona ary nidina teny an-toerana avy hatrany nijery ifotony ny zava-misy iry voalohany. Rehefa natao ny fizahana dia tsikaritra fa efa ny 22 tamin’ireo sokatra ihany no sisa mbola velona fa efa maty avokoa ny ambiny.
Tsy fantatra mazava izay saika hanaovana azy ireo fa tombanana avy any Toliara ireo biby ireo ary nandalo teto an-drenivohitra, izay saika ahondrana avy ao Toamasina ho any ampitan-dranomasina. Saingy natahotra ho tratra ireo olon-dratsy dia naleony nariana teny ankebakeban-tany, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana any Brickaville.
Manamafy sy manentana ireo tompon’andraikitry ny fifamoivoizana, indrindra fa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, noho izany ny mpitandro filaminana mba samy hanara-maso ny mombamomba ireo fiara mivezivezy avy any Atsimon’ny Nosy. Matetika mantsy dia efa eny amin’ny seranam-piaramanidina na efa tonga any ampitan-dranomasina mihitsy aza no hahatratrarana ireo sokatra kasaina ahondrana antsokosoko. Mampametra-panontaniana ny maro matetika ny ahatongavan’izy ireny hatrany amin’ireny toerana ireny na dia heverina fa maro aza ny fotoana azo hanaovana fisavana azy ireny, miainga avy any Atsimo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







