Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Tsy fandriampahalemana – Lehilahy telo namoy ny ainy tany Mahabo

Tao anatin’ny herinandro monja dia olona telo no namoy ny ainy tany amin’ny kaominina Bezezika, distrikan’i Mahabo, vokatry ny tsy fandriampahalemana. Maty novonoin’ny dahalo ny roa tamin’izy ireo raha toa ka matin’ny fitsaram-bahoaka kosa ny fahatelo. Ity farany izay fantatra fa namono nahafaty ny mpampiasa azy. Tao amin’ny fokontany Bemahasoa no nisehoan’izany, ny zoma lasa teo. Tezitra ny manodidina ka nampihatra ny fitsaram-bahoaka.

Nisehoana fanafihana dahalo tao amin’ny fokontany Ankifiofio, ny sabotsy alina hifoha alahady teo. Nirefodrefotra ny basy izay nampivarahontsana ny mponina ka samy namitsaka tsy nisy sahy nanohitra ireo olon-dratsy. Nanararaotra namoaka ireo omby tao am-bala ireto farany ary tamin’izay fotoana izay indrindra no nivoaka ny tompon-biby ka notsenain’ireo dahalo tamin’ny tifitra variraraka.

Maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana ary lasan’ireo dahalo ny omby miisa 12. Niantso ny mpitandro filaminana avy hatrany anefa ny fokonolona vao lasa kelikely ireo malaso saingy tsy nidina nijery ifotony ny raharaha izy ireo, araka ny loharanom-baovao. Niezaka nanao ny fanarahan-dia irery noho izany ireo vahoaka nefa tsy mbola nahitana vokany izany hatramin’izao.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre