Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Asan-jiolahy – Omena mena-boay indray ny alika mpiandry tanàna

Tsy mitsahatra mitady hevitra ahafahana manatanteraka ny asa ratsiny foana ireo jiolahy. Fantatra mantsy amin’izao fotoana izao fa mena-boay indray no entin’izy ireo mandeha mamaky trano, any Ambatondrazaka. Raha ny vaovao voaray dia atsipin’ireo olon-dratsy amin’ny alika ny mena-boay izay mahatonga azy ho laon-defona ka mandositra ary miditra moramora amin’izay ireo jiolahy. Fantatra ihany koa fa tsy mifidy ora hanafihana izy ireo fa manararaotra kosa ny tsy maha eo ny tompon-trano. Efa maro ireo fokontany lasibatra. Ny alahady lasa teo no nisy tranga farany, nandritra ny fitsaram-bahoaka niseho tao amin’ny fokontany  Atsimondrova. Lehilahy iray no tratran’ny fokonolona namaky trano tamin’io fotoana io ka nandritra ny vono sy daroka nahazo azy dia tokantranon’olona iray no nararaotin’ny olon-dratsy novakiana. Efa tafiditra soamantsara ny mpangalatra no tra-tehaky ny tompon-trano.

Araka ny angom-baovao voaray dia ahenoana vaky trano foana any an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka isaky ny alina.

 

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre