Amidy amin’ny mpandraharaha Iarivo !
Mampimenomenona ny maro ny afitsoky ny eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo izay mametra ho Ar 500 isan’ora ny saram-piantsonan’ny fiarakodia eto an-drenivohitra. Lafo loatra io vola aloa io ary karazan’ny tefy maika ihany satria tsy nifampierana tamin’ny olona manana fiara. Tsara ny fandaminana mikasika ny fampanaraham-penitra ny fanajana ny fiantsonan’ny fiara saingy kosa hita fa tena misy fanararaotana. Mbola olana goavana eto amintsika rahateo ity fiaraha-miasan’ny mpitondra amin’ny sehatra tsy miankina ity. Rehefa tsy haninon-tsy haninona mantsy ny mpitantana dia omeny ny orinasa tsy miankina ny asa tokony hataony. Mazava ho azy fa tsy maintsy haka tombony be mihoa-pampana ny mpandraharaha tsy miankina satria izay no tanjony sy ny fidiram-bolany. Ny tena olana anefa dia tsy voaaro tsara akory ireny toeram-piantsonan’ny fiara ireny ary milaza ho tsy miantoka ny very na mety ho fahasimbana ny tompon’ny fitaovana fandoavana tapakila Ar 500 fa ny mandray vola sy mitatitra ny sazy ihany no fantany. Izany hoe voatery tsy maintsy handoa vola amboniny amin’ireo tovolahy manolo-tena hiambina ny fiara mba tsy hisy hamaky sy higafy, ihany koa izany izay mametraka fiara eny amin’ny fiantsonana lazain’ny Kaominina fa azy.
Olona goavana noho ny an’ny mpivarotra ity resaka fiantsonan’ny fiara ity satria ny foto-drafitr’asa sy ny firafitry ny tanàna eto an-drenivohitra dia tsy natao hisy toerana manokana ijanonan’ny fiara. Amin’izao fotoana izao anefa dia efa manomboka manana fiara avokoa ny ankamaroan’ny isan-tokantrano. Izany hoe andraikitra goavana ho an’ny eo anivon’ny tanànan’Antananarivo ny mitady sy manamboatra toeram-piantsonana ho azy ireny. Efa voafaritra mazava tao anatin’ny fampielezan-kevitra rahateo izany ka tokony ho tanterahina aloha vao maka fanapahan-kevitra hitango vola amin’ny vahoaka. Tsy fampandrosoana ary tsy nifanarahana velively ny hoe ailika hiala ao afovoan-tanana avokoa izay rehetra heverina ho manelingelina. Ho an’ny mpiavrotra amoron-dalana dia tokony misy ny fanisana azy ireny sy ny fanadihadiana atao aminy ka izay monina eto an-drenivohitra dia omena tsena any amin’ny fokontany na boriboritany misy azy avy. Izay tsy monina eto kosa dia ampidirina amin’ny tsenan’ny kaominina izay tafiditra ary ny ambiny no asaina mivarotra any amin’ny kaominina manodidina honenan’izy ireo. Toy izany ihany koa ny fiara ! Tsy maintsy mametraka fiantsonana isam-pokontany na isaky ny boriboritany ny kaominina ka andoavam-bola isam-bolana izany ho an’ny mponina izay mametraka fiara ao.
Hatreto anefa dia tsy izay no mitranga fa maika ny hitango vola vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina fotsiny ny ben’ny tanàna sy ny ekipany ka manao didy jadona hanerena ny olona handoa Ar 500 isan’ora. Raha tena miasa sy hiasa ho an’ny vahoaka izy ireo, tsy mila miaraka amin’ny tsy miankina izany fa mitady fitaovana na manakarama ireo olona tsy an’asa hiandry ny toeram-piantsonana ka amin’izay fotoana izay dia miditra amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina manontolo ny vola rehetra azo avy amin’izany fa tsy misy ampahany betsaka ho an’ny sehatra tsy miankina izany. Ato ho ato ihany koa izao dia misy ny risika fa omena ny tsy miankina ny fitantanana ny tsena ka izay mahitahita ihany no afaka hivarotra satria ho lafo be ny hofan-trano sy ny hofan-tany. Mipetraka ihany ny vazivazy zary tenany manao hoe maninona raha omena ny tsy miankina mihitsy hatramin’ny fitantanana ny kaominina. Amin’izay fotoana izay ny ben’ny tanàna sy ny ekipany afaka mitsotsotra any an-tranony dia mibaiko sy mandray tatitra fotsiny. Indrisy ry Iarivo fa viravirain’ny tsy miankina ianao !
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







