Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Betroka – Matahotra dahalo ny mpitandro filaminana

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana indray, tany Betroka, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Analarora. Andian-jiolahy tsy fantatra isa nirongo basy mahery vaika no tonga masiaka tao an-tanàna nandroba omby tao am-bala. Tsy nisy sahy nivoaka ny mponina nandritra ny fandalovan’ireo dahalo tany amin’izany fokontany izany. Vokany, omby telopolo isa no lasibatra.

Fantatra ihany koa fa tsy nisy sahy nanao ny fanarahan-dia na ny mpitandro filaminana natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany na ireo voaroba. Araka ny vaovao voaray dia raiki-tahotra izy ireo. Mahagaga ihany ity fihetsiky ny mpitandro filaminana ity. Raha tsy sahy mifanandrina amin’ireo olon-dratsy izany ireto farany dia iza no tokony hifandona amin’ireo jiolahy ireo? Anefa izy ireo no efa vita hofana natao hiatrika izany.

Manoloana izany toe-javatra izany dia velon-taraina ny mponina any an-toerana ary mangataka ny mba andefasana mpampandry tany any amin’iny faritra Betroka iny satria taorian’ny nahafatesan’ilay zandary tany an-toerana dia nahitana trangam-panafihana foana ireo tanàna manodidina an’iny faritra iny.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre