Hain-trano – Nirehitra ny tranon’i I-bc
Nikoropaka ny rehetra teny amin’ny « Village des jeux » Ankorondrano, omaly hariva, tamin’ny firehetana ny trano misy ny fahitalavitra I-bc. Tokony tamin’ny 4 ora tany ho any no nanomboka ny afo, izay niainga avy tao amin’ny orinasa Sicma. Fanaovana « soudure » tao amin’izany orinasa izany no nahatonga ny fahamaizana vokatry ny fifampikasohan’ny herinaratra. Nijoalajoala ny lelafo, niitatra izany ka efitrano miisa 12 no indray kila forehitra. Samy niezaka nanavotra ny entana noho izany ireo olona tao amin’i I-bc sy ireo orinasa teo amin’ny manodidina. Avotra avokoa ny 80 isan-jaton’ny entana tao amin’io fahitalavitra io, araka ny vaovao voaray. Ireo entana tsy zaka sisa no tavela. May hotohoton’ny afo kosa ny « Planète magazine ». Tsy nisy olona intsony tao amin’izany toerana izany ka tsy nisy azo natao.
Tsy niandry ela kosa fa nidina avy hatrany teny an- toerana nisy ny loza ny fiara lehibe miisa 3 an’ny mpamono afo raha vao nampandrenesina ny zavatra niseho. Fa amin’izao ora hanoratana izao dia mbola tsy voafehy tanteraka ny fahamaizana. Araka ny loharanom-baovao dia lany ny ranon’ireo mpamonjy voina ka mbola niverina indray naka izany satria ambany ny tosiky ny ranon’ny Jirama teny amin’ny manodidina. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra. Mitaintaina fatratra kosa ireo mpitsabo mpampiteraka tsy dia lavitra eo noho ny fiparitahan’ny setroka mitondra fofona mahery.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







