Mpivarotena !
Asa efa ela indrindra teto ambonin’ny tany hono ny fivarotan-tena hoy ry vazaha manam-pahaizana. Toa misy azy io avokoa mantsy manerana izao tontolo izao ary efa miseho amin’ny endriny marobe izay tena misy tsy takatry ny saina mihitsy izy io ankehitriny. Ho an’ny eto Madagasikara dia lasa miroborobo fatratra ny fivarotan-tena ka na eo aza ny ezaka ataon’ireo mpiaro ny zon’olombelona dia tsy mahasakana sy manova na inona na inona izany. Ankoatra ireo vehivavy miakanjo fohy sy efa tena manakaiky ny fitanjahana mihitsy, misy ihany koa ny fivarotan-tena amin’ny fomba hafa toy ny fifankatiavana amin’ireo mpanam-bola mety afaka ny hiantoka rendrarendra. Mety misy hafetsifetsena sy fitiavan-tena izany nefa inoana fa raha olona manana asa tsara sy mahavelona ary mahavita mividy izay ilainy dia tsy hivarotra ny tenany velively. Maro ihany koa ireo ray aman-dreny no mampirisika an-kolaka na mivantana ny zanany tsy ampy taona hiroso amin’ny fivarotan-tena satria tsy manam-bola hivelomana. Ratsy ary tsy eken’ny saina izany fomba fanao izany nefa tsy azo odiana tsy fantatra ihany koa fa ny tsy fisiana avokoa no mahatonga izany. Tsy mbola nisy olona mpanan-karem-be ka nampirisika ny zanany hivaro-tena. Mahantra ny mponina nefa ny asa tsy misy ka aleon’ny sasany mivarotra ny tenany avy hatrany. Tsy ny tovovavy irery ihany no manao io asa io fa hatramin’ny tovolahy sy ny efa zokinjokiny ihany koa aza. Be ireo mpanenjika sy mpandatsa nefa rehefa tena zohina dia mahonena sy mampangoraka ny mahita ireny olona mijoro eny amin’ny sisin-dalana amin’ny andro alina be, manorana sy mangatsiaka ireny.Mampiseho ny fahantrana mangitsokitsoka misy eto amin’ny firenena ireny satria tsy manam-bola matoa miroso amin’ny asa sokajiana ho ratsy.
Ankoatra ny resaka fijangajangana ara-bakiteny dia misy endriny hafa ny fivarotan-tena. Eo amin’ny sehatry ny politika no tena ahitana azy io. Izany hoe maro ny olona heverina ho manana ny maha-izy azy no mivarotra ny tenany sy ny hajany mba hahazoana toerana sy asa misy tombontsoa. Izany no mahatonga ireo mpanao politika mivadibadika palitao araka ny fomba fiteny. Tsy mahita asa izy ireny raha tsy misolelaka sy mandadilady any amin’izay mety misy hanome toerana azy ka ahafahany mandray anjara amin’ny fiainam-pirenena sy mampitombo ny harena eo am-pelatanany. Mandeha be io fivarotan-tena sy fijangajangana ara-politika io amin’izao fotoana izao satria efa ao anatin’ny fitadiavana olona handrafitra ny Antenimieran-doholona sy ny governemanta vaovao ny Filoham-pirenena. Samy mba te hisitraka izany toerana ambony eto amin’ny firenena izany avokoa ka misy ireo mivarotra ny tenany mba ho tendrena. Miseho amin’ny lafiny maro ihany koa io fivarotan-tena ara-politika io fa ny tena mahazatra dia ny fanehoana imasom-bahoaka fa niova foto-kevitra ka lasa niaraka amin’ny mpifaninana taloha. Izany hoe ny fahaizana sy ny traikefa rehetra azo tamin’ny antoko mpiara-dia taloha dia amidy sy omena ny antoko mpifanandrina mety hanome seza.
Mbola manaporofo ny fahantrana misy eto Madagasikaraa ihany io tranga io satria matoa ny mpanao politika manao izany dia te hitazona ny fari-piainany ary tsy te hipetrapetra-potsiny manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena izy ireo. Tsy mitovy anefa ny fivarotan-tena ho an’ny mpijangajanga sy ny fivarotan-tena ara-politika satria iry voalohany dia tsy misy fiantarikany firy amin’ny fianam-bahoaka. Ny vatany no ampanofaina ary raha sanatria misy ny loza mitranga dia izy irery no mizaka ny vokatry ny adalany. Ho an’ny mpanao politika kosa dia raharaham-pirenena no lalaoviny ary volam-panjakana no katsahiny ka raha toa tsy mahomby izy amin’ny toerana omena azy dia ny vahoaka malagasy miisa 22 tapitrisa mahery no mizaka ny vokatr’izany.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







