Faratsiho – Sarona ilay kilemaina mpisoloky
Rehefa nokarohina ela dia sarona ihany ilay lehilahy kilemaina mpisoloky olona any Faratsiho. Ny faran’ny herinandro teo no tratran’ny mpitandro filaminana izy io. Telo izy ireo no tena mpanao ny asa ratsy fa ny roa tafatsoaka vao nahita ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ka sarona ilay lehilahy noho izy kilemaina izay. Araka ny angom-baovao voaray dia mody mivarotra motera-na fiara ity farany entiny misoloky ireo olona, izay amidiny 600 000 ariary. Milaza fa manana fiara izy ka ny moteran’izany no amidiny saingy lainga fotsiny izany. Efa maro ny olona voany ka nametraka fitarainana tany amin’ny mpitandro filaminana izay nahatonga ny fikarohana. Nandritra ny fisamborana azy dia fiara fitaterana maro no hita teo an-tokontany efa samy tsy misy motera intsony. Nahitana vola 5 hetsy sy 1 tapitrisa ariary ihany koa tany aminy. Niaiky ny heloka vitany ity lehilahy ity nandritra ny famotorana azy ary mandeha ny fikarohana ireo namany tafaporitsaka.
.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







