Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

Vono olona tany Morondava – Nangataka ny hanaovana fitsaram-boaka ny havan’ny maty

Vehivavy iray no tsy hita popoka nandritra ny dimy andro tany Bemanonga, distrikan’i Morondava ary ny 23 janoary teo no hitan’ny fokonolona tao anaty tatatra ny fatiny. Ahiana ho nisy namono izy io rah ny fahitana ny razana ka olona fito no nosamborina natao famotorana. Rehefa niakatra fitsarana ny 26 janoary teo anefa ny raharaha dia ny enina tamin’izy ireo ihany no nalefa vonjimaika tany am-ponja. Taorian’izay, namoaka vaovao ny haino aman-jery iray tany an-toerana nilaza fa tra-tehaka ny tompon’antoka tamin’ny nahafatesanan’ilay ramatoa hany ka vao naheno an’izany ny fianakavian’ny maty dia niakatra tany Morondava ary nirodorodo manoloana ny biraon’ny kaomisarian’ny polisy. Efa nahare mialoha ny fisian’ireo andian’olona anefa ireto farany ka nanamafy ny fiambenana ny manodidina izany toerana izany.

Nampiantso ny ray aman-dreny miisa 7 avy amin’ny havan’ny maty noho izany ny mpikambana tao amin’ny Omc ka tamin’izany no nangatahin’izy ireo ny hanaovana fitsaram-bahoaka ireo voarohiroy ireo sy ny hanomezan’izy ireo ny fombafomba fanao amin’ny fandevenana ny maty. Rehefa natao anefa ny fifandresen-dahatra dia nilamina ihany ny raharaha ary voasoraka ihany ny fikasana ny hanaovana fitsaram-bahoaka.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre