Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Fanafihana feno herisetra – Mpitaingina môtô maty vokatry ny ratrany

Lehilahy iray tokony ho 30 taona any ho any no namoy ny ainy ny alahady lasa teo, teny amin’ny hopitaly, vokatry ny ratra mafy nahazo azy ny alin’ny zoma lasa iny. Teny ambony môtô handeha hamonjy fodiana izy io no notafihan’ny andian-jiolahy tsy fantatra isa, teny Ankadidratombo amin’ny fihaonam-dalana mankany Alasora.

Notorohan’izy ireo tapa-biriky ny lehilahy vantany vao nandalo nanoloana azy ireo ka voa teo amin’ny masony sy ny firihifany ary ny lohany. Na dia mafy aza ny fiantraikany ny toraka dia mbola tafatsoaka hatrany manakaiky ny trano fonenany izy. Efa tonga teny izy vao torana tsy nahatsiaro tena, araka ny fitantaran’ny fianakavian’ny maty ka ny olona teo amin’ny manodidina no nampandre azy ireo ny herisetra nahazo ilay mpitaingina môtô. Mbola afaka nitantara ny nanjo azy kosa ny niharam-boina talohan’ny nahatorana azy.

Nisy olona iray nandalo tamin’ny fiara teny amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana no nahita tsara ny toe-javatra fa tsy sahy nijanona mihitsy, mba hanampy ny niharam-boina, noho ny tahotra ny ho voan’ny herisetra ihany koa, araka ny loharanom-baovao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre