Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Voatampim-bava !

Nivoaka iny ny fanapahan-kevitry ny filan-kevitra monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra fa ho sokafana amin’ny famoriam-bahoaka indray ny kianjan’ny demokrasia eo Ambohijatovo. Zon’ny kaominina ny manao izany satria azy io toerana io ary zon’ny vahoaka ihany koa ny maneho hevitra amin’ny toerana natokana ho amin’izany. Ny filohan’ny tetezamita teo aloha sady Ben’ny tanànan’Antananarivo voafidim-bahoaka tamin’ny fotoan’androny no nitokana an’Ambohijatovo ho kianjan’ny demokrasia rehefa tsy nahazo toerana hanehoana hevitra intsony ny vahoaka. Ankehitriny dia manaiky ny maha kianjan’ny demokarasia an’Ambohijatovo avokoa ny rehetra ary efa mazava ny hevitry ny mpitantana ny kaominina fa ho sokafana ho an’ny rehetra ny kianja. Ny avy eo anivon’ny fitondram-panjakana sisa no andrasana izay heviny sy fihetsiny satria mbola manana ny prefektioran’ny polisy afaka mandrara ny hetsika izy ireo. Tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana any amin’ny prefektioran’ny polisy avokoa mantsy izay rehetra mikasa hanao hetsika ankalamanjana eto an-drenivohitra. Raha ny hita anefa tao anatin’izay roa taona nijoroan’ny fitondrana ankehitriny izay dia toa nifanilihan’ny kaominina sy ny prefektiora hatrany ny fanomezana fahazoan-dalana. Raha manaiky ny andaniny dia mandà kosa ny ankilany ka mifamadibadika toy izany. Tsy mahagaga raha tsy nisy antoko na vondron’olona nahazo alalana hanao hetsika politika famoriam-bahoaka misy teto hatramin’ny taona 2014. Tao antin’ny roa taona voalohany naha teo izao fitondrana izao dia nety ny tetikady napetrak’izy ireo satria izy samy izy ihany no nametraka ny mpitantana ao amin’ny prefektiora sy ireo filohan’ny delegasiona manokana nifandimby teo. Ankehitriny kosa anefa dia efa olon-kafa ny ben’ny tanàna ary mpifanandrina ara-politika amin’ny fitondrana mihitsy. Izany hoe tsy hametraka sakana amin’ny hisian’ny famoriam-bahoaka eto an-drenivohitra mihitsy ny kaominina raha toa ka mikendry ny hanozongozonana ny fitondram-panjakana izany. Zaran’ny avy eo anivon’ny kaominina aza hisy antoko hitarika olona eto an-drenivohitra, hanohitra ny fitondrana mijoro. Mazava ho azy fa tsy ho voafehin’ny mpitondra intsony ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra ka tsy maintsy any amin’ny prefektiora izy ireo no hanamafy ny fandrarana izay efa fanaony. Izany hoe ho sarotra ho an’ireo rehetra mikasa hamory vahoaka eny Ambohijatovo ny hahazo fanomezan-dalana avy amin’ny prefektiora na dia efa nahazo izany tany amin’ny kaominina aza izy ireo. Ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim) no mikasa hamaky lay amin’ny fampiasana indray an’Ambohijatovo ka ho hita eo na hahazo fahazoan-dalana na tsia. Sedra goavana ho an’ny fitondram-panjakana io hetsika io satria raha ho raràna dia hanala baraka tena hoe tsy mahazaka demokrasia. Solombavambahoaka, izany hoe olom-boafidy rahateo no hanao tatitra amin’ny vahoaka koa tsy misy antony tokony hanakanana azy ireo mihitsy. Tsy ho raràna fa avela haneho hevitra malalaka dia hiseho eo ny fankahalan’ny vahoaka ny fitondrana mijoro. Mazava ho azy fa tsy hitsitsy ary mahitsy fiteny ireo solombavam-bahoaka sy ny mpanotrona azy ireo amin’ny fanakianana ny mpitondra. Raha vao mahazo manao hetsika famoriam-bahoaka eo Ambohijatovo ihany koa ireo depiote Tim dia tsy hanaiky ny antoko sy firehana hafa fa hitaky ny hanao toy izany koa. Lasa misy mizana tsindrian’ila sy halako bika tsy tiako tarehy raha vao ho rarana ny hafa. Vao misokatra malalaka anefa Ambohijatovo dia efa miroana tsikelikely amin’ny fihozongozonan’ny fitondrana ny hetsika rehetra hitranga eo. Indroa monja i Andry Rajoelina no niantso vahoaka teo Ambohijatovo dia nitohy tamin’ny fitondran’ny Filoha Ravalomanana izany. Nalaky nandrara ny hetsika nataon’ny zanak’i Dada eto ihany koa ny fitondrana tetezamita fa raha tsy izany dia nirodana vetivety. Ankehitriny, lasa loza manambana ny fitondrana ny kianjan’ny demokrasia izay efa ho sokafan’ny kaominina. Mety hiitatra amin’ny fanokafana ny kianjan’ny 13 mey ihany koa ary izany raha izao no mitohy.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre