Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ambilobe – Olona folo isan’andro voan’ny tazo tifoïda

Amin’izao fotoam-pahavaratra izao dia mahazo vahana ny valan’aretina tazo tifoïda, any Ambilobe. Olona ampolony isan’andro no fantatra fa tonga mitsabo tena any amin’ny hopitaly any an-toerana vokatr’ity aretina ity. Tsy mifidy olona fa voany avokoa na zazakely na olon-dehibe. Ny fako sy ny loto miparitaka noho ireo kisoa mirenireny sy mitrongy eran’ny tanàna no mahatonga ny aretina ka ilaina ny andraikitry ny tsirairay izany. Ary tsy ao an-tampon-tanànan’Ambilobe ihany fa mipaka hatrany ambanivohitra izany aretina izany anefa noho ny fahatapahan-dalàna dia sahirana izy ireo manantona ny toeram-pitsaboana. “Maharitra iray volana eo ny fitsaboana ny tazo tifoïda ary maharaka tsara ny fanafody na dia lafo aza ny sarany.  Azo sitranina tsara ihany koa ny aretina raha tonga ara-potoana eny amin’ny hopitaly ny marary. Mba hisorohana ny aretina mpitranga isaky ny fotoam-pahavaratra tahaka izao anefa dia ny fitandroana ny fahadiovana ihany no fisorohana izany indrindra ny rano sotroina”, araka ny fanambaran’ny mpitsabo iray any amin’ny hopitalibe Ambilobe. Ankoatra ny tazo tifoïda anefa dia mamely ny ankizy madinika any an-toerana ihany koa ny aretim-pivalanana sy kohaka.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre