Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ambatofinandrahana – Raim-pianakaviana maty notifirin’ny dahalo

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana tany Ambatofinandrahana, ny herinandro lasa teo. Tokantrano iray no lasibatry ny andian-dahalo tsy fantatra isa, nirongo kalachnikov. Nanapoaka basy in-telo izy ireo vao niditra ny tanàna ampitahorana ny manodidina. Nopotsihan’izy ireo avy eo ny varavarana ary vantany vao tafiditra tao dia nanabana basy ny tompon-trano mba hamoaka ny vola rehetra. Nilaza tsy manana ilay raim-pianakaviana ka tsy nisalasala ireo olon-dratsy nikapa antsy an-dramatoa vadiny mba ampitandremana azy. Saingy mbola nidrikina nilaza tsy manana ny zavatra tadiavin’ ireo jiolahy ilay rangahy ka norarafan’ireo dahalo tifitra variraraka ary maty tsy tra-drano fa ilay ramatoa kosa naratra mafy, nefa vorontsiloza iray no nentin-dry zareo nivoaka tao. Nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana ilay naratra rehefa lasa ireo olon-dratsy. Tsy misy atahorana ny ainy.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre