Ambodin’Isotry – Tsena efatra fivarotam-damba may kila forehitra
Tamin’ny misasak’alina, nirehitra ny tsena fivarotam-damba miisa 4 tao amin’ny tsenan’Ambodin’Isotry, ny alin’ny talata hifoha alarobia. Kila forehitra ny entana rehetra ary an-tapitrisa ny tombam-bidin’ny may tamin’izany. Mbola tsy fantatra ny nahatonga ny afo fa niainga avy amin’ny trano iray izay itoeran’ ireo lamba ny afo ary niitatra tamin’ny trano telo hafa izay fisotroana toaka ny iray. Tsy nisy mpiambina teny amin’ilay tsena fa ny olona teny amin’ny manodidina no nahita ny firedaredan’ny afo ka nampandre ny mpamonjy voina avy hatrany. Nidina teny an-toerana ireto farany namono ny afo ka adina roa taty aoriana vao voafehy tanteraka izany. « Efa tamin’ny 8 ora tany ho any no efa naheno fofona maimbo izahay fa tsy nanam-po na inona na inona dia tsy taitra mihitsy. Hatairana ny anay rehefa nahita ny lelafo nijoalajoala, tokony tamin’ny 12 ora alina tany ho any » hoy ny filazan’ny loharanom-baovao izay monina eny an-toerana.
May ihany koa ny tsena Antseranampasika
Tsy teto an-drenivohitra ihany fa nandravarava koa ny afo tany amorontsiraka tany. Tsena iray manontolo tao Antseranampasika, any Toamasina ihany koa no fantatra fa may tsy nisy noraisina, ny alin’ny talata hatrany. Fifampikasoahana tariby mitondra ny herinaratra no nahatonga ny fahamaizana, raha ny angom-baovao voaray avy any an-toerana. Niainga avy amin’ny tokantrano iray ny afo ary niitatra tamin’ny trano fivarotana 30 isa. Trano vita amin’ny hazo avokoa ireo ka nalaky nirehitra ka izay no nitarika ny fahapotehana tanteraka. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra nandritra ny loza fa tombanana an-tapitrisa maro ny zavatra may. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ireo hain-trano ireo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







