Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Tokony tokony foana !

Naverimberin’ny filoha nandritra ilay resadresaka niarahany tamin’ireo mpanao gazety avy amin’ny fahitalavitra TVM sy I-bc ny teny hoe « tokony ». Isaky ny mipetraka ny fanontanian’ireo mpanao gazety dia tsy maintsy misy « tokony » ny valim-panontaniana.Tsy tsaroan’ny Filoha fa izany tokony izany dia karazan’ny nofinofy sy faniriana fotsiny ho an’ny olona tsy afa-manoatra. Ny filoha anefa dia manana ny fahefana rehetra hibaiko ny olona eo ambany fifehezany izay zavatra heveriny fa « tokony » hatao. Adinon’ny filoha ihany koa fa izy no « tokony » hanatanteraka ny zavatra rehetra lazainy fa « tokony »….

Raha ny fampanantenana tamin’ny praopagandy sy ny fianianana nandritra ny fandraisana ny fitondrana dia tsy « tokony » ho toy izao intsony i Madagasikara fa efa lasa lavitra sy nandroso. Izao anefa dia ny « tokony » sisa no mba fanazavana afaka entin’ny filoha andresen-dahatra ny vahoaka. Raha ny « tokony » ho izy aza tsy fanazavana no ilain’ny malagasy fa vokatra avy hatrany. Tao anatin’ny roa taona nitondrany dia tsy nahatanteraka ny fampanantenana nataony ny filoha. Antontan’isa no arantiranty nefa tsy misy fiantraikany any amin’ny fiainam-bahoaka izany. Lazaina fa nisy fitsondrotany ny harin-karena raha oharina amin’ny fitombon’ny mponina nefa mihoatra lavitra noho izany ny fisondrotry ny vidim-piainana. Ny nampanantenaina anefa dia ampidinina ny vidim-piainana. Na inona na inona fanazavana sy ny « tokony » ho atao dia tsy hanova na inona na inona eto amin’ny firenena izany. Tsy mahavoky ny resaka « tokony » ary tsy mahasitrana ihany koa. Tsy mila izany « tokony » izany ny vahoaka satria raha hiditra amin’izay tokoa dia mazava fa maro ireo hilaza fa « tokony » hiova mihitsy ny mpitondra.

Nisongadina tamin’ny fanazavan-kevitry ny filoha ihany koa fa tsy manam-pahadisoana izy ary resy lahatra fa nety avokoa izay rehetra nataony hanasoavana ny firenena. Toa ny hafa ihany no fototry ny olana rehetra eto Madagasikara raha ny heviny. Hatramin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta aza dia tsy nolaviny fa misy mpamingana sy mpamadika. Tsy niaro ny praiminsiitra sy ny minisitra rahateo ny tenany raha notsikafonin’ireo mpanao gazety mirahavavy nofidiny manokana hiresaka aminy fa tsy nahafa-po ny vahoaka ny vokatry ny RRI 100 andro imbetsaka nohavaozina. Midika ireo rehetra ireo fa nailiky ny filoha any amin’ny governemanta ny tsy fahombiazana nisy teto amin’ny firenena.

Hatreto aloha, ny omaly tsy niova ny foto-kevitra ijoroan’ny mpitondra Fanjakana eto aminstika dia ny tsy fanekena ny mety fisian’ny hadisoana. Ny hafa no terena miaiky heloka fa ny tena tsy hanaiky izany mihitsy. Na ny resaka demokrasia aza dia natao fotsiny ho fototra hanamarinana izay rehetra atao. Nirehareha mantsy ny filoha fa manana ny fototra tsara ijoroany sy ny tanjany ny antoko politika natsangany satria nandresy tamin’ireo fifidianana demokratika natao. Tsy nohazavainy anefa fa ny fizotry ny fifidianana mihitsy no lavin’ny maro eto amin’ny firenena. Izany hoe tsy tena mifanaraka amin’ny safidim-bahoaka ny voka-pifidianana samihafa. Io resaka fifidianana lazaina fa demokratika io hatrany anefa no nanimba an’i Madagasikara sy i Afrika hatramin’izay. Ireo filoha rehetra nifandimby sy voafidy tamin’ny fomba demokratika teto Madagasikara dia niongana avokoa satria tsy mifanandrify tamin’ny safidim-bahoaka ny voka-pifidianana ary izany no  niteraka ireo krizy rehetra niverimberina teto amin’ny firenena. Raha tsy mino izany ny filoha dia « tokony » hamela malalaka ny vahoaka haneho ny heviny an-dalambe satria mariky ny demokrasia ihany koa izany. Mandeha ila tanteraka ilay demokrasia satria lasa ataon’ny fitondram-panjakana mba hanamafisana ny sezany fotsiny. Ny vahoaka anefa tsy mahazo maneho hevitra fa izay mihetsika eo, ny hery famoretana no miandry azy ireo.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre