Ankaditapaka avaratra – Mirongatra ny tsy fandriampahalemana
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana eny amin’ny fokontany Ankaditapaka avaratra amin’izao fotoana izao. Saika isan’andro dia ahitana tranga fanafihana mitam-piadiana foana eny an-toerana izay tena efa mampikaikaika ny mponina. Araka ny loharanom-baovao dia ireo 4’mis manamorona ny arabe fa indrindra ireo manorim-ponenena amin’iny tohatohabato mihazo ny Epp Ankadifotsy II no tena mahatonga ny tsy filaminana eny an-toerana.
Ny alahady maraina lasa teo izao dia raim-pianakaviana iray handeha haka fiara teny amin’ny Ekar Antanimena no nisy nanambana basy teo amin’ny fiakarana eo am-pitan’ny vavahadin’ny « Centre de loisirs Maitsoririnina ». Ny androtr’io ihany fa tamin’ny 12ora atoandro indray dia vehivavy iray hamonjy fodiana niaraka tamin’ny zanany no nisy nanaraka teo amin’ny fidinana eo amin’ny fiantsonana taksibe. Nisioka sady nihazakazaka avy any amin’ny toerana fanasam-damba ny jiolahy saika hibeda azy ary ny iray nanambana basy. Soa ihany fa nisy olona nivoaka teo amin’ny manodidina teo ka vaky nandositra ireo olon-dratsy.
Manoloana ity tsy fandriampahalemana nisesisesy ity dia nanapa-kevitra nanao fisafoana ny vaomieran’ny fandriampahalemana eny amin’ny fokontany Ankaditapaka avaratra, izay notontosaina tamin’ny 11ora alina ka hatramin’ny 2ora maraina.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







