Ankazoabo Atsimo – Mandravarava ny jiolahy
Raha nangigina ny asan-dahalo tany amin’ny distrikan’Ankazoabo Atsimo dia mandravarava indray ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ka ireo tranombarotra no tena lasibatra amin’izany ary efa betsaka ireo niharan’ny voina. Tena mampanahy ireo mponina any an-toerana ity trangan’ny tsy fandriampahalemana ity noho ireo jiolahy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika izay tsy misalasala mampiasa izany.
Tamin’ny herinandro lasa iny izao dia mpivarotra ambogadiny iray no lasibatr’ireo mpanafika ka najifa avokoa ny entana rehetra. Nisy ny fikarohana ireo olon-dratsy taorian’ny fanafihana ka olona roa no efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana. Na izany aza anefa, tsy mampihena ny tahan’ny tsy fandriampahalemana any amin’iny faritra Ankazoabo Atsimo iny izany, araka ny loharanom-baovao.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







