Fandehanana mafy – 4×4 iray nivadika ambony ambany
Nitrangana lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena Rn6, ny harivan’ny alarobia lasa teo, tamin’ny 6ora sy 45 minitra tany ho any, tao an-tampon-tananan’Antsohihy. Fiara 4×4 iray no nivadika ambony ambany tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, vokatry ny fandehanana mafy. Nivoaka avy any Ambalabe ilay fiara araka ny loharanom-baovao. Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy saingy naratra mafy vokatry ny loza ny olona telo tao anatin’izany fiara izany. Tapaka mihitsy ny sandry sy ny tongotry ny mpamily raha toa ka vaky loha kosa ny olona iray hafa ary tapa-tanana ny faharoa, raha ny filazan’ny loharanom-baovao hatrany. Potika tsy nisy noraisina ihany koa ny fiara. Efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ao an-toerana ireo naratra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







