Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Hanoanana – Ramatoa be maty nitsirara teny amoron-dalana

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora dia nisy ny olona maromaro nitangorona nanamorona ny lalana eny amin’ny faritry ny trano fandraisam-bahiny « Mada Hotel » 67 ha iny. Rehefa nozohina dia fatim-behivavy iray, tokony 50 taona any ho any, nivalampatra teo amin’ny arabe. Mpangataka eny an-toerana ity ramatoa be ity ka fantatra noho izany fa vokatry ny hanoanana no nahafaty azy. Efa tamin’ny alarobia hariva no efa tsy dia salama ity vehivavy ity. Tamin’izay no nisy ramatoa roa niantra azy ary nanome sakafo sy rano sady namahana azy, araka ny filazan’ny manodidina, dia io izy namoy ny ainy io.

Hatramin’ny 1 ora atoandro anefa dia mbola tavela teo amoron-dalana ny razana ary efa maina tanteraka vokatry ny fidaniky ny masoandro satria tsy mbola tonga teny an-toerana ny tompon’andraikitry ny Bmh naka izany. Nanao tsipaipaika kosa ireo nanatri-maso ny trangan-javatra mba nividianana lamba fotsy namonosana ny vatana mangatsiaka.

Maro tokoa ireo olona tsy manan-kialofana no mamoy ny ainy noho ny fahantrana sy ny hanoanana amin’izao fotoana izao. Ny mbola manana ny atao moa indraindray matimaty foana noho ny aretina na noho ny tsy fandriampahalemana, mainka fa olona fadiranovana tahaka itony.

Laurena Nany

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre