Vous êtes ici :

Samedi 31 Janvier 2026

ombre

Vatam-paty voan’ny baolina – Tadiavina atao sorona ilay zaza nandaka azy

Zaza iray no kasaina atao sorona , tany Ambovombe Androy. Nandaka baolina ka nahavoa vatam-paty tsy nahy no antony izany. Araka ny loharanom-baovao, nisy andian-dehilahy avy any amin’ny tanàna antsoina hoe Anjeky Beanantara nilanja vatam-paty mbola tsy nisy na inona na inona sady nihirahira eran’ny tanàna fa hoe fomba any an-toerana izany, ny herinandro lasa iny.  Raha nandalo tandrify ny sekolin-dry mopera anefa izy ireo dia nisy baolina voadaka avy tao amin’izany fianarana izany ary nahavoa ilay vata. Rehefa nivoaka ny zaza iray haka ilay fitaovana dia nodarohan’ireo andian-dehilahy nilanja izany vatam-paty izany sady nentin’izy ireo niditra ny faritry ny sekoly. Hay izy io ankizy nanao fanatanjahan-tena. Tsy te-hahalala izany anefa ireo olona fa nanapoaka basy avy hatrany nentina nandrahonana ny mpampianatra sy ny frera niandraikitra izany taranja izany ka nifanosika samy namonjy ny ainy.

Niezaka nanao raharaham-pihavanana ny tompon’andraikitra sy ireo mopera ka nilaza ny hanolotra vola 1 tapitrisa sy omby 20 isa mba hanonitra ilay vata voaloto fa tsy nanaiky ireo andian’olona ireo. « Tsy hitondra io vata io izahay raha tsy vonoina ilay zaza nandaka io baolina io ka ny rà-ny no hanadiovana izany miaraka amin’ny lelavola 25 tapitrisa ariary. Satria lafo vidy ilay vata ary tany Bangkok no nanafarana izany», araka ny filazan’ireo lehilahy.

Nosamborina ireo andian’olona

Niantso polisy noho izany ry  mopera ka nosamborina ireo andian’olona ireo. Nampandrenesina ihany koa ny mpampanoa lalàna any an-toerana ary nanome baiko ity farany ny tsy hanomezana vola na omby na zaza atao sorona azy ireo. Satria raha ny tena fomba dia ny andro hahazoana io vatam-paty io ihany no afaka entina mitety tanàna izany nefa ho an’ireto olona ireto efa roa andro mbola ariaria ihany. Na dia fomban-drazana aza izany dia niziriziry ny mpampanoa lalàna fa tsy hahazo alalana hitondra io vata io intsony ireo andian’olona ireo. Noho izany rehetra izany dia nitokona ireo andian-dehilahy ireo, tetsy ankilany nanapa-kevitra nitory ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Hiakatra fampanoavana androany any Ambovombe ny raharaha.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre