Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

Andohanilakaka – Telo lahy nanafika ny lefitry ny ben’ny tanàna

Miverina amin’ny heriny indray ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’Ihosy. Telo lahy nirongo basy poleta vita gasy sy antsy ary baramina no voalaza fa nanafika ny tranon’ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanànan’Andohanilkaka, izay monina ao amin’ny fokontany Mangatokana. Nanapoaka basy ihany koa ireo olon-dratsy ireo nandritra ny fanafihana. Nopitsohin’izy ireo avy eo ny varavaran’ny lasibatra mba ahafahan’izy ireo niditra tao. Tsy tao an-toerana  anefa ny lasibatra tamin’io fotoana io fa mpiandry trano no tao izay tsy nampoizin’ireo jiolahy mihitsy. Iry voalohany ihany koa efa  niandry tsara ny fahatongavany ireo olon-dratsy ka raikitra ny fifandonana tamin’ny roa tonta. Tratran’ny be noho vitsy sy hery tsy mitovy anefa ka dia resin-tosika ihany ity raim-pianakaviana 45 taona. Novelesin’ny iray tamin’ireo olon-dratsy baramina ilay niandry trano ka naratra mafy satria nahazo teo amin’ny andriny, ny kihony ary ny tratrany ary “côte” havanany izany. Rehefa nitolefika tamin’ny tany ny naratra dia norobain’ireo jiolahy ny lelavola 500 000 ariary tao an-trano.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre