Antsohihy – Notafian’ny andian-jiolahy ny orinasa Jirama
Nidiran’ny olon-dratsy an-keriny ny orinasa Jiro sy rano malagasy, ao Ambalakida, any Antsohihy. Andian-jiolahy tsy fantratra isa nirongo zava-maranitra no nanafika tamin’izany, ny alin’ny 26 janoary lasa teo. Rangahy iray 58 taona mpiambina izany toerana izany no marary mafy noratrain-dry zalahy. Nokapain’ireo mpanafika tamin’ny antsy lava izy io ka voa teo amin’ny lohany sy ny hatony. Rehefa tsy afaka nanao na inona na inona intsony ity lehilahy lehibe ity dia nobatain’ireo jiolahy amin’izay ny vata misy ny vola tao amin’ny birao. Tsy nentin’izy ireo nitsoaka anefa ilay vata fa nofonosina ravim-boanio ary naleviny tsy dia lavitra teo. Niantso vonjeo avy hatrany ilay naratra vantany vao lasa ireo mpanao ratsy ka nidina teny ireo fokonolona nijery ny zava-misy ary ireto farany indray avy eo no nampandre ny mpitandro filaminana. Tonga nijery ny zava-misy ireo polisy ary rehefa maraina ny andro dia natao ny fizahana ka sarona tsy dia lavitra teo ilay vata kely izay mbola tsy nahitana fahasimbana mihitsy. Rehefa nosokafana teo imason’ny mpiasan’ny Jirama izany dia hita fa tsy nisy very ireo vola tao anatiny. Nieritreritra mbola hiverina haka ilay vata angamba ry zalahy satria mety sarotra novahana izany ka mbola lasa nitady hevitra, kanjo saron’ny mpitandro filaminana nanao ny fikarohana ihany ny nafenina. Efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ao Antsohihy ilay mpiambina. Etsy ankilany kosa dia efa mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







