Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

Tsy tan-dalàna !

Hampiteny ny moana ity resaka tsy fanarahan-dalàna eto amintsika ity raha izao no mitohy. Samy manao izay saim-pantany avokoa ny rehetra manomboka any amin’ny tsy fifanajana madinidinika, mitohy amin’ny heloka bevava, ary mipaka hatrany amin’ny fanaparam-pahefana. Hatramin’ny tompon’andraikitra ambony heverina ho manana ny fahefana mampihatra ny lalàna aza no lasa mandika izany. Sarotra anefa ny hifanome tsiny sy hanontany hoe iza no fositra satria ny zava-misy iainana mihitsy no mahatonga ny rehetra tsy hanara-dalàna. Tsy vita fotsiny amin’izao ny fametrahana izany tany tan-dalàna izany raha mbola ao anaty fahantrana no iainan’ny vahoaka malagasy. Tonga amin’ilay fitenenana hoe eny « an-tampon’ny samy reraka » isika amin’izao fotoana izao. Izany hoe manao izay hahavelona sy hahafalifaly azy ny rehetra. Ny tena olana anefa dia toa ny madinika sy ny fadiranovana ihany no enjehina sy saziana raha manao ny tsy mety.Porofon’ny fahantrana lalina ny fisian’ny mpivarotra eny amin’ny lalana rehetra eny. Tsy manana asa sy fidiram-bola ara-dalàna ny olona dia voatery mamorona varobarotra sy asa madinidinika tsy ilaina mason-karena be nefa mba hahazoana vola kely hividianana sakafo. Ekena fa tsy natao ho an’ny mpivarotra ny lalana ary tsy maintsy diovina ny tanàna nefa kosa mila jerena ihany ny maha olona satria ny tsinay tsy mba vatsy ary ny kibo tsy mba lamosina, ny ankizy rahateo tsy mahalala ny tsy misy. Tsy fidiny ho an’ny vahoaka madinika ny hitady vola eny an-dalam-be fa efa tena tsy misy asa atao intsony. Ny olona nahavita fianarana sy manana diplaoma ambony avy eny amin’ny oniversite ary tsy mahita asa, ary ireo vitsy mba miasa indray mikarama varimasaka koa aiza ireo tsy manam-pahaizana no mba hitady vola ?
Mahasorena ny maheno ny fanazavan’ny mpivarotra amoron-dalana sy ny mpitarika sarety manao hoe « hangalatra izany izahay ? » Nefa raha dinihina amin’ny saina tsy miangatra sy ny lojika toa mitombina ihany. Rehefa tsy mahita asa mantsy tsy maintsy mamorona asa ho an’ny tena ka rehefa tsy mahazo manao izany indray dia na mangataka na mangalatra. Hangataka tsy hisy hanome fa ho lazain’ny olona ho androrosy sy mahazo ny latsa manao hoe olona « matanjaka be io koa maninona raha miasa ? » Rehefa tsy misy manome asa ny matanjaka dia mazava ho azy fa hampiasa ny heriny amin’ny halatra ireto marivo salosana. Raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy ary mahafantatra tsara izany ireo rehetra efa tena niharan’ny tsy fisiana. Mora ny manome tsiny, ho an’ny mbola manan-ko hanina sy mahita harapaka, fa rehefa tena sendra ny hoe « tsy misy » izay tsy misy mahay manamaboatra na dia ariary aza. Na inona na inona izany zava-misy dia mitarika any amin’ny tsy fanarahan-dalàna hatrany ny tsy fisian’ny asa sy ny fahantrana.

Io tsy fahampian’ny vola ilaina io, ihany koa, no mahatonga ny kolikoly sy ny fanodinkodinam-bola eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny. Tsy mahavelona azy ireo ny karama raisiny ary izay tsy afaka manao asa hafa hanampiany izany koa dia izay vola mandalo eo ambany masony no aviliny ho any am-paosiny. Tena heloka izany ary tsy misy hankasitraka ny tranga fandikan-dalàna amin’ny lafiny rehetra nefa tsy vitan’ny famoretana sy fanasaziana ny fitarihana ny olona hitodika amin’ny farnarahan-dalàna fa misy fepetra tan-tsoroka tsy maintsy apetraka.

Ny fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny fampakarana ny sandan’ny ariary sy ny fari-piainan’ny mponina ary ny fampidinana ny vidim-piainana ihany no antoka lehibe handresena lahatra  ny vahoaka hanara-dalàna sy ametrahana ny tany tan-dalàna. Hatreto aloha dia mbola ezaka goavana izany satria na ny mpitondra ambony izay natao ho modely aza toa tsy mifampatoky ary mifampiahiahy be ihany. Mbola tany tsy tan-dalàna isika ary mbola ho nofinofy ny fitantanana mahomby raha toa ka mbola misy ny olona ambony tsimatimanota amin’ny halatra ataony eto amin’ity firenena ity.

 

Ravalo tsy Manana

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre