Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Mpandrava hefa !

Tsy mety mandroso mihitsy i Madagasikara na dia efa feno avokoa aza ny fepetra rehetra hanatantrehana izany. Efa niverina amin’ny fitondrana ara-dalàna voafehin’ny Lalàmpanorenana ity firenena ary ankatoavin’izao tontolo izao nefa tsy hita izay tena fiatraikan’izany any amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka. Vao mainka aza toa miha-mikorosy fahana sy miha-mahantra ny vahoaka. Tsy azo lavina fa raha ny lojika dia vokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fanilihana andraikitra no mahatonga izany. Nailiky ny filoha tany amin’ny mpiasan’ny  Air Madagascar ny rihitra rehetra izay mampiala aina io orinasam-panjakana io ankehitriny. Notondroin’ny filoha fa ny fitokonana naharitra amam-bolana no nahatonga izao fatiantoka goavana mianjady amin’ny orinasa izao. Nanana ny fanazavany anefa ireo mpiasa ary nanondro ihany koa fa ny fividianana fiaramanidina maro hatramin’ny andron’ny tetezamita izay ny filoha ankehitriny no tompon’andraikitra voalohany tao amin’ny Air Madagascar, no nahatonga ny fahavoazan’ny orinasa. Lafo be ny fiaramanidina nefa tsy mampidi-bola satria voarara tsy mahazo mandeha amin’ny firenena maro. Tsy mahaleo ny sarany ny vidiny hoy ny fitenenana. Mbola nividy fiaramanidina ihany koa ny fitondrana ankehitriny nefa tsy hita izay fiovana nentin’izany fitaovam-pitaterana faran’izay lafo vidy izany. Nomena ny vahiny ihany koa ny fitantanana ny orinasa nefa tsy hita ihany koa izay asa misongadina nataon’ilay vazaha ankoatra ny fitarainana fa tsy avotra mihitsy ny orinasa ka tsy maintsy mandroaka mpiasa sy mpitady fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombona antoka. Izany hoe tsy maintsy amidy ny ampahany amin’ny orinasa sy ny fitaovan’ny orinasa. Midika izany rehetra izany fa tena simba ary tsy tafarina intsony ity orinasam-panjakana ity noho ny tsy fahaiza-mitantana.

Tsy ny Air Madagascar irery no lasitrabatra amin’izany fa ny orinasa Jirama ihany koa. Dila ihany ny roa taona nahatongavan’ny filoha teo amin’ny toerana nefa tsy vitany ny nampitsahatra ny delestazy izay nampanantenainy fa hifarana ao anatin’ny telo volana monja. Vao omalin’omaly no tapaka ny jiro tamin’ny faritra maro manerana ny renivohitra nefa lazaina fa tsy misy intsony ny olana. Efa miroso tsikelikely amin’ny fivarotana azy ihany koa anefa ny orinasa Jirama. Efa nomena ho tantanan’ny vahiny ny famokarana  jiro eto an-drenivohitra ary ahiana hiitatra amin’ny farira rehetra manerana ny Nosy izany. Hatreto aloha dia tsy nahavaha-olana tanteraka ny fanomezana ny Jirama ho tantanan’ny vahiny satria mbola tapaka  ihany ny jiro. Tena mahasorena ny mponina ny zava-misy nefa ny mpitondra tsy mba miaiky ny fahadisoany na oviana na oviana fa mahita fanazavana hatrany mba ialana andraikitra.

Raha atao ny fampitahana dia tsaratsara kokoa noho ny amin’izao ny fiainan’ny malagasy tamin’ny Repoblika fahatelo sy tamin’ny andron’ny tetezamita. Nantenain-kanirina ny Repoblika fahaefatra kinanjo vao mainka nampivandravandra. Ny simba no betsaka noho ny zava-bita. Nosimbaina ny Air Madagascar dia avy eo mandany andro amin’ny fitadiavana hevitra hanarenana azy. Navela hikorosy ny Jirama dia io fa omena tsikelikely ny vahiny ny fitantanana azy. Tao anatin’ny roa taona ihany koa dia simba avokoa ny foto-drafitr’asa rehetra toy ny lalana sy ny tetezana maro ka ny fanamboarana ireny indray no andanian’ny fitondram-panjakana andro sy hitadiavam-bola. Ny tena asa fampandrosoana anefa dia fanamboarana foto-drafitr’asa vaovao sy fampiroboroboana ny orinasam-panjakana efa misy. Ny eto amintsika, ny efa teo ihany navela ho simba dia ny fanarenana ireny no lazaina fa asa fampandrosoana. Tsy mahagaga raha tsy misy fivoarana mihitsy ny firenena satria toa mihevaheva fotsiny amin’ny fandravana laka ny tompon’andraikitra.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre