Fifamaliana ratsy fiafara – Olona roa maty voatifitra
Olona roa no maty voatifitry ny basin’ny miaramila vokatry ny fifamaliana tafahoatra. Ny zoma teo, tamin’ny 5ora hariva no nitrangan’ izany, tao amin’ny fokontany sy kaominina Analaiva, distrikan’ i Morondava. Araka ny loharanom-baovao dia andiana Antandroy izy ireto izay nifamaly teo amin’ny tsenan’Analaiva ka niafara tamin’ny ady. Tsy fantatra kosa ny niandohan’ny fifamaliana satria niditra an-tsehatra avy hatrany ny miaramila roa nanao fanamiana ara-dalàna mitondra basy mba hanasaraka azy ireo. Tsy nampoizin’ireo mpitandro filaminana ireo anefa fa nosintomin’ny iray tamin’ireo mpifanandrina ny basin’ny miaramila iray ka napoakany avy hatrany ary nahavoa olona roa. Maty tsy tra-drano ny iray fa ny faharoa kosa tany amin’ny hopitaly no namoy ny ainy. Manoloana ity tranga ity dia nanao fivoriana maika ny Omc any an-toerana, ny sabotsy lasa teo ary ny androtr’io ihany koa no nanaovana ny fizahana tany Analaiva.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







