Vakinankaratra – Tafajoro ny Bcmm
Taorian’i Alaotra Mangoro dia anjaran’ny faritra Vakinankaratra indray no nahazo ny Birao vaovao ny harena an-kibon’ny tany na ny « Bureau du cadastre minier (Bcmm) », no izy manana harena maro miavaka sy mipetraka ao. Ny zoma lasa teo no notokanana tamin’ny fomba ofisialy izany, izay notarihan’ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta Jean Ravelonarivo. Ny fametrahana ity biraom-paritra vaovao ity dia tafiditra ao anatin’ny pôlitikan’ny fitsinjaram- pahefana ny harena an-kibon’ny tany, ho fanamafisana ny fanatsarana ny fitrandrahana any amin’ny faritra. Ny Bcmm no voatokana hitantana ny fahazoan-dalana hitrandraka, hanangona volam-panjakana mifandraika amin’izany sy hizara ny tombontsoan’izany eny anivon’ny fiahara-monina. Ny fitsinjaram-pahefan’ny biraon’ny harena an-kibon’ny tany dia mikendry ny hanorina fitantanana mba hamerenana ireo mpandraharaha tsy ara-dalàna ao amin’ny sehatra ara-dalàna.
16 taona amin’ity taona ity ny nisian’ny Bcmm ary efa manakaiky ny 6 000 any ho any ireo karazana fahazoan-dalana mitrandraka efa nozarainy. Ny Bcmm dia tafiditra ao anatin’ireo tsara indrindra aty amin’ny kaontinanta Afrikana ary manoloana izany dia hitohy ny ezaka mba hanatsarana hatrany ny fitantanana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany malagasy, izay manandrify indrindra ny fiteny hoe « ny tonga aloha ihany no voakarakara aloha ».
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







