Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Rn6 – Tapaka ny lalana Ambanja-Ambilobe

Tapaka ihany koa ny lalana mampitohy an’Ambanja sy Ambilobe amin’izao fotoana izao, noho ny fahatapahan’ny tetezana « magnena » mampitohy ireo tanàna roa ireo. Fiara iray marika Fourgon Mercedes 612 avy any Ambanja hihazo an’Antsalaka no niharan-doza tamin’izany, omaly vao mangiran-dratsy, tokony tamin’ny 3ora maraina tany ho any. Tamin’ity fiara ity niampita izany tetezana izany no niseho ny loza ka latsaka tao anaty rano ary nilentika, hany ka, tafo sisa no hita. Na dia mafy aza ny fiseohan’ny loza dia tsy nisy kosa ny aina nafoy saingy naratra avokoa ireo mpandeha tao anatiny. Voatery manao « transbordement » amin’izao fotoana izao ireo fiara manao zotra amin’iny lalam-pirenena Rn6 Ambanja-Ambilobe iny.  Izao no vokatry ny fahanteran’ny ny foto-drafitr’asa eto Madagasikara. Raha tsy misy ny fanamboarana haingana ity tetezana, ho maro ny voka-dratsy mety ho aterak’ity fahatapahan-dalana ity. Azo antoka mantsy fa hihamafy ny delestazy izay efa mampikaikaika ireo mponina any Ambilobe, Anivorano Avaratra ary Antsiranana satria tsy hahazo famatsiana solika entina hanodidina ny milina ny Orinasa Jirama sy Enelec. Raha adiny fito mantsy ny fahatapahana teo aloha dia inoana fa ho indray mandeha ao anatin’ny herinandro vao hahazo jiro ireo tanàna voalaza eo ambony ireo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre