Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fiara nifatratra tamin’ny mpanao lanonana – Roa namoy ny ainy, dimy hafa naratra mafy

Fiara marika Renault Kangoo tsy fanta-piaviana no nirimorimo fatratra ka namono nahafaty olona nilanonana, tao amin’ny lapan’ny tanànan’i Manakara. Ny alin’ny sabotsy teo, tokony ho misasak’alina any ho any no nitrangan’izany. Vokany, miaramila iray no maty tsy tra-drano ary telo hafa naratra mafy. Tsy nijanona teo fa nandositra avy hatrany ilay mpamily. Tamin’izay indrindra anefa dia nandona posiposy indray ity farany ka nandratra ny olona nitarika izany sy ny mpandeha roa. Nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana ireo naratra  saingy namoy ny ainy ilay mpitarika posy ny sabotsy maraina na dia efa nanao izay ho afany tamin’ny famonjena azy aza ireo mpitsabo.

Rehefa nandositra tsy hita hoe nankaiza ilay mpamily nahafaty olona sy ny fiara nentiny dia nampandre ny mpitandro filaminana ny mponina ka raikitra ny fanaovana barazy eran’ny tanànan’i Manakara. Efa ny marainan’ny sabotsy no hitan’ny mpitandro filaminana teny amin’ny toerana iray mivoaka ny tanàna ilay fiara sy ny olona nitondra izany ary tamin’izay no nahalalana fa mamo ity mpamily ity. Ny tena raharaha dia hay izy iotsy manana alalana hitondra fiara ka hiampangana azy avokoa noho izany ny tsy fisian’ny fahazoan-dalana hamily, mamo mitondra fiara sady mbola nahafaty olona ary nanampy trotraka ny fandosirany. Hiakatra fitsarana tsy ho ela ny raharaha.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre