Olana ara-pitiavana – Vazaha maty nananton-tena tao an-tranony
Teratany frantsay iray, 54 taona, no hita faty nihantona tao an-tranony, ny zoma lasa teo, tamin’ny 8ora maraina, tany amin’ny toerana antsoina hoe Ravoraha, fokontany Foilava, any Sainte-Marie. Raha fomban’ity vazaha ity ny mifoha maraina mandehandeha maka rivotra eny amoron-dranomasina dia gaga ireo mponina raha tsy nahita azy nanao izany ka nandondona teo am-baravarany saingy tsy nisy namoha. Nampandre ny tompon’andraikitry ny fokontany noho izany ny mponina ka tamin’izany no nandraisana fanapahan-kevitra ny hanapitsoka ny varavarany. Taitra ireo mponina raha nahita ny vatan’ity lehilahy ity nikorozaroza tsy nisy aina intsony. Nesorina tamin’ny tady ny vatany ary niala nenina ihany, saingy efa tsy avotra intsony. Niantso ny mpitandro filaminana sy mpitsabo ny sefo fokontany noho izany mba hijery ny razana. Araka ny tatitra voaray dia namono tena ity vazaha ity fa tsy fantatra kosa ny antony nahatonga izany. Fa araka ny fitantaran’ireo mponina manodidina, ahiana ho olana ara-pitiavana no anton’izany satria andro vitsy talohan’io dia hitan’izy ireo nifamaly tamin’ny sakaizany izy io izay teratany malagasy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







