Diso laharam-pahamehana !
Tsy nitondra vokatra nody! Io no azo amehezana ny dian’ny delegasiona malagasy avy nanatrika ny fivoriam-be fanao isan-taonan’ny vondrona afrikanina. Ny fihetsiketsehana no zava-dehibe fa tsy hita izay tena nilana ny fanatrehana iny fivoriana iny. Tsy hanome vola fanampiana an’i Madagasikara ny afrikanina ary tsy hanohana ny firenena ihany koa amin’ny olana maro sedrain’ny vahoaka ankehitriny. Faly fotsiny ny mpitondra fa mahazo fanasana sy fandraisam-pitenenana ary voadokadoka madinidinika fa ankoatra izay dia tsy nisy vokatra ho an’ny firenena ny fanatrehana izany fivoriana izany. Toy ny mahazatra ary ny omaly tsy miova ihany satria efa tsy voaisan’ny olon-tsotra intsony ny fivoahana nataon’ny filoha tany ivelany tao anatin’ny roa taona monja. Nalaza kokoa noho ny vokatra nentiny ny fandaniana be tamin’ny alalan’ny fanofana fiaramanidina manokana, ny hotely lafo vidy sy ny fety avo lenta nataon’ny delegasiona. Tsy mba tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana ny fivoahana matetika any ivelany nefa dia tsy ataon’ny filoha ambanin-javatra mihitsy. Mandeha atsy, mitsidika aroa nefa toa tanam-polo hatrany no “vimbinina”. Lazaina ihany koa fa zava-dehibe ny mangarahara sy fampahafantarana ny vahoaka ny zava-misy rehetra nefa toa mody mangingina tsy misy mpahalala hatrany ny delegasiona. Ny sampana mpikirakira ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika rahateo dia tena mahihitra amin’ny fanomezana antsipiriam-baovao ka vao mainka lasa tompon-trano mihono ny vahoaka. Tsy fantatra intsony izay tena laharam-pahamehana eto amin’ity firenena ity fa toa ataon’ny mpitondra iza tiany. Tsy mahagaga raha tsy mety tafarina ny firenena satria any amin’ny sehatra iraisam-pirenena no mitady vahaolana nefa ireo efa hita fa tsy rototra amin’ny fanampiana an’i Madagasikara izany. Hanaovan’ny olona kabary diplaomatika dia faly sy mirehareha fa manana ny toerana eo anivon’izao tontolo izao, nefa minia manadino fa gisitra lava amin’ny sehatra rehetra ny firenena.
Lasa saina ihany ny vahoaka ary manomboka very amin’ny fanakarana izay lazain’ny mpitondra fanjakana fa laharam-pahamehana. Miovaova matetika mantsy izany ary rehefa tena amin’ny fotoana hanatanterahana azy dia ataon’ny mpitondra tsinontsinona. Anisan’ny maneho izany ny resaka fampihavanam-pirenena izay tena nankalilo sofina ny maro ny fandrenesana fa laharam-pahamehana eto amin’ny firenena. Natao avokoa ny fihetsiketsehana rehetra ary tonga tamin’ny fihaonambem-pirenena namoahana fehin-kevitra ho tanterahina mihitsy izany. Taorian’izay anefa dia rava maina ny raharaha satria tsy nisy notanterahina ireo tena hevi-dehibe voasoratra sy voasonia na tao amin’io fehin-kevitra io mandraka ity ny androany. Naleon’ny mpitondra niroso tamin’ny fanatanterahana fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly ary loholona toy izay hanatanteraka ny tohin’ny fampihavanam-pirenena izay izy ireo ihany no nikiry ny hanaovana azy.
Tsy fantatra intsony izay tena zava-mitranga eto amin’ity firenena ity e. Toy ny hoe tsy mandeha nefa mba misy lohany ihany. Izay vahaolana naroso ampandrosoana haingana tsy nisy tanteraka fa natomboka fotsiny ny sasany dia very an-javony avy eo. Tsaroan’ny vahoaka ihany koa ny fihetsiketsehana be nametrahana ny fahitalavitra nomerika tany Nosy Be izay nampanantenaina fa tsy maintsy ho tanteraka manomboka ny volana jona 2015. Mandraka androany tsy nisy tokantrano na iray aza nahita izany nomerika nomerika izany. Mbola nideraderana fatratra ihany koa ny fividianana fiaramanidina ho an’ny kaompaniam-pitanterana Air Madagascar izay nolazaina fa tena hampandroso be ny firenena nefa vokatra hafa no nitranga. Lasa miala aina ny Air Madagascar ankehitriny ary ifanilihana ny andraikitra nahatonga izany.
Nalaza fahiny ny fiteny hoe efa hivoaka ny tonelina i Madagasikara nefa hatramin’izao dia tsy hita ihany izay lohan’ilay tonelina. Nitady ny lohany isika nefa lasa mitana ny rambony. Diso laharam-pahamehana ny mpitondra!
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







