Soavinandriana Itasy – Fanitarana ny oniversite
Hisy oniversite ahorina any amin’ny distrikan’i Soavinandriana Itasy ary napetraka omaly maraina ny vato fehizoron’ny foto-drafitr’asa. Noho ny fiaraha-miasan’ny ministeran’ ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres) sy ny kaominina Soavinandriana, izay nanolotra tany, no nahatanteraka ny asa.
Ny fanorenana dia natao mba hanapariahana ny oniversite sy hamaliana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra satria ahafahana mandray mpianatra miisa 25 000 isan-taona. Hisy seha-pihofanana 7 ao amin’io oniversite io, ka anisan’izany ny fitrandrahana sy ny tontolo iainana, ny fifandraisana isam-paritany, ny rano sy ny tontolo iainana, ny fitantanana ny tontolo iainana, ny harena voajanahary sy azo havaozina, ny fandraharahana ny “agro-alimentaire”.
Hahazo tombony amin’ ny fanitarana ny oniverstite ihany koa ny any amin’ny faritra Vakinankaratra sy Bongolava satria hisokatra ho azy ireo ity toeram-pampianarana ity rehefa vita tanteraka ny foto-drafitr’asa.
Marino Michael
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







