Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Fiofanana amin’ny resaka fambolena – Hiara-hiasa ny minisitra frantsay sy mpandraharaha malagasy

Mpandraharaha iray no sady mpitantanana orinasa sy toeram-piofanana ambony malagasy no hiara-hiasa amin’ny minisitra ny fambolena, rano sy ala ary mpitondra tenin’ny governemanta frantsay, Stéphane le Foll. Ny votoaton’ity fiaraha-miasa ity moa dia tsy miala amin’ny resaka fampandrosoana ny firenena sy ny tanora malagasy raha ny nambaran’ity mpandraharaha malagasy ity izay tsy iza fa Atoa Andrianaivo Geremioh.

Koa satria moa mifantoka ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana ihany koa ny tenany dia nambarany fa hiompana kokoa amin’izany ity fiaraha-miasa ity ka hanomboka amin’ny fametrahana toeram-piofanana momba ny “agroalimentaire” sy vokatra biolojika. Anisan’ny zava-dehibe ihany koa ny fironana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiakaran’ny hafanan’ny tany sy ny toetr’andro, izay omena vahana manerana izao tontolo izao.

Mbola nanamafy ihany moa Atoa Andrianaivo Geremioh nandritra ny fandraisam-pitenenany fa ny tanora malagasy no hahazo tombony amin’izany, indrindra fa ireo mpianatra ao amin’ny toeram-piofanana tantaniny. Araka ny filazany hatrany dia manana anjara toerana lehibe i Madagasikara sy ny toeram-piofanana ambony amin’ny fiaraha-miasa any ivelany. Tsapany izany nandritra ny nanatrehany ny fihaonam-be iraisam-pirenena, momba ny “Open Agri Food Business” tao amin’ny AquaGeo, tany Frantsa. Hisy ihany koa ary tsy ho ela ny fananganana orinasa lehibe eto, ary mbola tohin’io fiaraha-miasa io ihany izay.

N.F

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre