Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Ambatondrazaka – Hita ny lavaka fanafenana entana halatra

Taorian’ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po dia hitan’ny polisy ny sabotsy lasa teo, ny lavaka lehibe sahabo telo metatra, izay fanafen’ireo jiolahy ny entana halatra, tao Antsahalava, any Ambatondrazaka. Tena tsy nampoizana fa tao anaty trano iray lehibe tany an-toerana no nisy an’ity lavaka be ity. Farafara lehibe iray ihany no tao amin’io trano io ary tao ambanin’izany fandriana izany nisy gorodona izay nanarona ilay lavaka. Hita tao avokoa ny entana halatra rehetra rehefa napoaka ilay gorodona ka anisan’izany ny vary fotsy amin’ny gony maro be, vata fahitalavitra nivoaka farany ireny efa amam-polony, « lecteur » sy karazan’entana sarobidy maromaro. Tsy tratra tao an-trano kosa ireo jiolahy tompon’antoka ary mbola tsy fantatra ihany koa ny mombamomba azy ireo fa efa mandeha ny fikarohana. Manoloana ny fahitana ity trano fanatobiana entana halatra ity dia velom-panantenana ireo mponina amin’ny mety ahitana ireo mpangalatra, izy ireo izay efa mandry tsy lavo loha manoloana ny asan-jiolahy misesisesy any an-toerana. Etsy

ankilany kosa dia nangataka hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka ny mpitandro filaminana tsy hisalasala ny manome vaovao raha mahita zavatra mampiahiahy fa vonona izy ireo hanongotra hatramin’ny fakany ny asan-jiolahy. Tahaka ireo jiolahy miray hina dia manana firaisankina sy ny fahaiza-manao ihany koa ny polisim-pirenena, araka ny filazan’ny Inspektera any Ambatondrazaka.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre