Lavanila saika havoaka an-tsokosoko – 107 kg nopotehina sady nodorana
Lavanila maitso milanja 107 kg no nopotehana sy nodorana, omaly voalohan’ny volana febroary, tany Atsimo Atsinanana. Ny faran’ny herinandro teo no saron’ny mpitandro filaminana io lavanila io, teo amin’ny « barrage économique », ao amin’ny kaominina Amporoforo, izay sisin-tany manasaraka ny faritra Atsimo Atsinanana sy ny faritra Vatovavy fitovinany, amin’ny lalam-pirenena Rn12. Saika havoaka an-tsokosoko ny faritra Atsimo Atsinanana io lavanila io fa izao saron’ny mpitandro filaminana mpanao barazy izao, araka ny loharanom-baovao. Tsy fantatra kosa ny olona tompon’ireo entana ary raha zohina dia tena manimba zavatra mihitsy ireo izay nioty ireo lavanila ireo. Raha ny tena izy mantsy dia ny volana mey any ho any vao misokatra ny fotoam-piotazana lavanila sy ny fivarotana izany, fa mahagaga ihany ny fiavian’ ity vokatra ity satria tsy ahitana lavanila loatra any an-toerana amin’ny fotoana tahaka izao. Rehefa vita kosa ny pitsopitsony rehetra tamin’ny fitanana an-tsoratra ireo vokatra ireo dia nopotehina sy nodorana ireto lavanila ireto omaly, izay fihetsika nahatalanjona ny maro ihany koa. F’angaha tsy nisy zavatra hafa azo atao an’ireo lavanila ireo afa-tsy ny fandorana azy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







