Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Kamiao nivadika – Nipitika hatramin’ny sofin’ny mpanampy mpamily

Nandriaka ny rà teny amin’ny lalam-pirenena Rn1, ny marainan’ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any, vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany an-toerana. Kamiao iray mpitatitra entana madinika avy taty an-drenivohitra no nivadika ambony ambany, teo amin’ny tanànan’Ambolomanjakarivo. Tsy fantatra na tapaka hisatra fa nandona aro fanina teny amin’ny sisin-dalana ilay kamiao lehibe izay nitarika ny fivadihany. Olona telo izy ireo no tao anatin’izany fiara izany izay naratra avokoa. Araka ny loharanom-baovao, vaky ny lohan’ny mpamily raha toa ka nipitika mihitsy ny sofin’ny mpanampy azy. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana ka araka ny fanambaran’ireto farany dia ahiana ho hamamoana no nitarika ny loza. Nahitana tavoahangy toaka mantsy tao anatin’ilay fiara. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny tobim-pahasalamana ireo naratra.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre