Fanabeazan’aizana – Tsy tokony hitsindrona ireo mbola tsy niteraka
Tena ilaina kanefa… sehatra iray tsy azo ihodivirana intsony amin’izao taon-jato iainana izao ny fampiasana fanabeazan’aizina indrindra any amin’ny firenena mandroso. Samy resy lahatra ny rehetra fa tena ilaina izany indrindra ho an’ny tanora izay tsy mbola tokony hiteraka fa mamita fianarana. Ilain’ny Malagasy ihany koa ny hamerana ny zaza ateraka mba tsy ho be tsy handraofana. Mbola betsaka kosa ny tanora malagasy misalasala satria samy efa nahita na teo anivon’ny fianakaviana na teny amin’ny fiaraha-monina ny vokatra entin’ity fanabeazan’aizana ity izy ireo. Eo ireo milaza fa ny paik’ady natoraly tamin’ny andron’ny Ntaolo ihany no mahomby. Misy koa ireo milaza fa mampihena ny tahirina otrik’aina sokajy B rehetra izy ireny, indrindra ny B6 sy B9 ka tsy mahagaga raha misy fotoana mahatsiaro rera-dava sy kizintina ny vehivavy mihinana azy. Mamaly ireo ahiahin’ny olona ireo ny dokotera tompon’andraikitra ao amin’ny Marie Stopes Isotry.
Madagascar Matin (M.M) : Marina ve dokotera fa mampihena ny tahirin’angovo ny fanabeazan’aizana ?
Mairie Stopes (M.S) : Tena izao mihitsy izahay vao naheno an’izany. Eny e, betsaka ny feo miely mahakasika azy ity ary ekeko fa maro ny vokatra ateraky ny fanabeazan’aizana ka anisan’izany ny fitomboan’ny lanja indrindra ireo mampiasa ny tsindrona, ny pilina ary ny « implant » satria misy tsiry mpanentana ao anatin’izy ireny. Fa tsy ny olona rehetra akory no mety hitombo lanja fa arakarany satria misy aza ireo miha mahia. Raha mahatontosa ny fanaraha-maso mantsy ireo vehivavy dia tsy tokony hisy ny atahorana. Izany no mahatonga anay hanara-maso ny lanja sy ny tosi-drà rehefa hanao fanabeazan’aizana voalohany indrindra izy ireo. Tsy tokony hanao dokotera tena ihany koa ny vehivavy fa ny fanabeazan’aizana tsy tokony hisy voka-dratsy izany.
M.M : Ianareo ve no manoro ny fanabeazan’aizana mety amin’ny vehivavy iray sa izy ireo no misafidy izay tiany atao ?
M.S : Manontany ny zavatra efa henony aloha izahay dia anontaniana ihany koa ny tiany atao satria efa misy safidy efa neritreretiny avy any. Aorian’izay dia hampahafantarina azy ny karazana fanabeazan’aizana hafa, rehefa fantany daholo izay vao hadihadiana ny safidiny. Raha mahita ihany koa izahay fa tsy mety ny safidiny mandritra ny fizahana azy dia atoro zavatra hafa izy satria mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalamany izany, fa raha misisika kosa izy dia atao ihany ny safidiny. Ny olona ambony tosi-drà mantsy tsy tokony hihinana pilina ary ny olona matavy tsy mety mitsindrona ka tokony Diu no ataony satria iny tsy misy fanafody.
M.M : Efa niresaka Diu ihany Dokotera. Ahoana indray ny hoe miteraka nana sy mampisy homamiadan’ny vozon-tranon-jaza ny fanaovana azy io ?
M.S : Ny tena izy dia aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo no mahatonga azy io fa tsy ny fampiasana Diu akory. Rehefa mampiasa ilay Diu ny vehivavy iray vao tena hita ilay soritr’aretina. Marihina fa tsy miaro ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ny fanabeazan’aizana, noho izany dia tokony hampiasa fimailo foana rehefa tsy azo antoka. Ny mety hitranga fotsiny, nefa tsy atao mahataitra, dia manatombo ny rà mandeha sy ny andro andehanany. Rehefa mihinana « anti-inflammatoire » ihany koa ny vehivavy iray dia tsy tokony hanao firaisana na mampiasa fimailo fa mety mampisy tsy fahombiazana amin’ny fanaovana Diu ka maha-bevohoka.
Momba ny homamiadan’ny vozon-tranon-jaza indray dia mbola tsy nahita izahay. Tena mahagaga ny filazan’ny olona momba izany. Efa nisy olona voan’ny homamiadan’ny vozon-tranon-jaza fa tsy vokatry ny fanaovana fanabeazan’aizana mihitsy. Ary taorian’ny fanadihadiana natao tamin’izay fotoana izay dia fantatra fa mbola tsy nanao fanabeazan’aizana mihitsy ilay ramatoa. Mety aretina efa nikotrika ela be tany ka nohon’ny nanao fandrindrana fiainam-pianakaviana vao niseho. Eny e ! efa hazavaina amin’ireo olona manantona anay izany nefa tsy manakana ny resaka mandeha any ambadika any.
M.M : Manoloana ireo resabe mandeha ireo dia maro ireo tanora no misalasala amin’ny fampiasana fanabeazan’aizana. Inona ary ny toro-hevitra omenao azy ireo dokotera ?
M.S : Tsy tokony atahotra ny tanora ary tsy misy atahorana ihany koa ny fanaovana azy io raha voaaramaso tsara satria efa misy ny fanabeazan’aizana azo atao tsara ho an’ny tanora. Aleo ary manao fandrindram-piterahana toy izay manala zaza. Ny tena mampiahiahy ireo tanora mantsy ny mety tsy hiteraka intsony. Hamporisihina izy ireo noho izany ny tsy hanao tsindrona maro be fa miteraka fahatarana amin’ny fahazoana zaza izany. Mety ho herintaona na roa taona aorian’ny nijanonana tamin’ny fanabeazan’aizana vao mitoe-jaza. Noho izany tsy tokony hitsindrona mihitsy ireo mbola tsy niteraka fa tokony hanantona tobim-pahasalamana foana.
Inona ny karazana fanabeazan’aizana mety araka ny hevitrareo ?
Maro karazana ny fomba fanabeazan’aizana ary samy manana ny singa mandrafitra azy izy ireo. Ny tsara tsindriana anefa dia tokony hahay hifantina azy ny vehivavy tsirairay, arakaraky ny toe-batany. Ilaina ihany koa ny hevitry ny mpitsabo mialohan’ny hampiasana azy.
Fanabeazan’aizana misy « oestroprogestatives »
Azo antoka ary mora zaka kokoa noho ny fanabeazan’aizana hafa ireo misy tsiry mpanentana « oestrogène » na ireo karazany atao hoe « oestroprogestatives ». Mety hanafoana ny fadim-bolana izy ireo raha lavalava ny fotoana ampiasaina azy. Ny kiana kely fotsiny dia izy ireo mampitombo ny taha mahatonga ny aretim-po sy ny fiakaran’ny tosi-drà. Noho izany, tsy azo ampiasain’ireo olona misy tosi-drà, na marary fo, na misy « cholesterol », na mifoka sigara izy ireny.
Ohatra : Pilina mitambatra na « oestroprogestatives » ; « anneau vaginal » ; « patch ».
Fanabeazan’aizana misy « progestatifs »
Mety ho an’ny miakatra tosi-drà na manana olana amin’ny lalan-drà ity karazana fanabeazan’aizana ity. Na izany aza dia misy voka-dratsy ihany koa izy : mony, fihiziran’ny nono, « kyste » amin’ny tranon’atodin’aina, volo-bava maniry amin’ny tarehy na tratra … Araka ny voka-pikarohana natao tany Angletera nivoaka tamin’ny taona 2007 ihany koa, dia mety ahavoa ny homamiadana eo amin’ny vehivavy mbola tsy mitsaham-pitsaihana ny fanabeazan’aizana misy « progestatifs ».
Ohatra : Pilina fanabeazan’aizana misy « progestatif » ; ny « implant » maharitra telo taona eo ho eo, ny « sterilet » maharitra dimy taona.
Fanabeazan’aizana tsy misy tsiry mpanentana
Tsy lazaina eto ireo karazany natoraly satria mety tsy azo antoka raha misy hadisoana kely (fanisana andro, fanakanana ny ranon’aina…). Fanabeazan’aizana tsy mampiasa tsiry mpanentana no tsindriana manokana eto, azo antoka hatrany amin’ny 98% no sady tsy misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana.
Ohatra : Fimailo, sady miaro amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, « stérilet » amin’ny varahina azo antoka dimy taona saingy mety hisy fahaverezan-drà betsaka« spermicides » : mandaitra 24 ora raha 10 ora kosa ho an’ireo menaka ahosotra.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







