Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Nanakatom-baravarana !

Mazava izao ny fomba fijerin’ny fitondram-panjakana amin’ny fitantanana ny firenena fa tsy hisokatra velively amin’ny hery politikahafa. Niaraha-nahita ireny fanendrena loholona ireny fa saika ireo mitovy firehana amin’ny Hvm avokoa no notendrena ho senatera. Niavaka ihany koa fa najanona ho minisitra avokoa ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko Hvm izay mandrafitra ny governemanta. Mampiseho izany fa vonona hitana sy hifehy manontolo ny fahefana mpanatanteraka ihany koa ity antokom-panjakana ity ary tsy manan-kevitra velively hanome vahana ny fijery hafa amin’ny fomba hitantanana miaraka ny firenena.

Mitodika any amin’ny fomba fijery tokana ny foto-kevitra tiana ampanjakana eto amin’ny firenena ato anatin’ny roa taona farany hitondran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Ny Governemanta efa fahefany manontolo ny manendry azy, ny Antenimieram-pirenena efa nambarany tamin’ny tafatafa tao amin’ny fahitalavitra Tvm farany teo fa manohana azy ny maro an’isa, ny eny anivon’ny kaominina efa nambarany fa ny antokony no matanjaka, ny Antenimieran-doholona mbola olony avokoa no ao, ary ny eny amin’ny faritany sy faritra ary distrika moa dia efa olom-boatendriny avokoa.  Raha ireo rehetra ireo no jerena dia feno ny fepetra rehetra ahafahan’ny fitondrana ankehitriny mampandroso tsy misy fialan-tsiny ity firenena ity. Andrasana ny vokatra, araka izany, satria raha toa ka tsy mbola misy fiovana, toy ny taona roa voalohany nitondrany, ato anatin’ny fotoana vitsy dia ny paikady entiny mihitsy no tsy mahomby. Tsy misy azo anilihana intsony manomboka izao fa tompon’andraikitra tanteraka amin’ny ho tohin’ny asa fampandrosoana ny firenena ny fitondrana Hvm.

 

Manalasala ihany anefa ny mety hahatomombana ny asa fampandrosoana raha toa hikaton-trano sy tsy hihaino ny hevitry ny hafa satria firenena iaraha-manana ity Madagasikara ity fa tsy fananana samy irery. Ny hevitry ny maro rahateo mahataka-davitra ary tsy vitan’ny kitranoantrano fa ilana ny fampandraisana anjara ny rehetra ny fampandrosoana azy. Hatreto mantsy dia toa lasa mifantoka betsaka kokoa amin’ny fizarana seza ho an’ireo tapaka sy namana, havana aman-tsakaiza fotsiny ihany ny tena asa vitan’ny fitondram-pajakana.

Raha atao indray mitopy maso dia tsy misy maharatsy izany raha toa ka manana ny fahaizana sy traikefa ireo olona notendrena saingy kosa iaraha-mahita fa sarotra ny manitsy sy mifampiteny amin’olom-pantatra. Ireto farany rahateo izay nomena toerana sy nomena tombontsoa be dia tsy sahy hiteny izay tsy mety ataon’ny mpanendry azy ireo noho ny fifanajana sy ny tahotra ho very tombontsoa. Tsy azo afenina mantsy fa tena olona akaiky ny filoha avokoa ny ankamaroan’ireo ao anaty governemanta, ary olona tena akaiky ny minisitra isan-tsokajiny kosa ireo tale ambony any anaty minisitera sy ireo solontenam-panjakana eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy vondrom-paritra itsinjaram-pitondrana.

Nisafidy ny hikaton-trano sy hitantana samy irery miaraka amin’ireo olom-pantany ny mpitondra ankehitriny ka ho tsaraina amin’ny asa vitany eo. Mila mitandrina anefa fa tsy afaka ny hanilika andraikitra amin’ny hafa intsony satria efa izy samy izy sisa no ao anatin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Enga anie hahavita be sy hitondra fiovana goavana ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka ka ho lasa firenena miroborobo ao anatin’ny fotoana fohy i Madagasikara. Mila vokatra haingana toy ny fidinan’ny vidin’entana eny an-tsena, ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra, fampakarana ny sandan’ny vola Ariary sy ny fari-piainana amin’ny ankapobeny ny vahoaka. Adidy sy andraikitry ny mpitondra fanjakana ny manao izany ary zon’ny vahoaka ny mitaky vokatra. Raha tsy izay no mitranga dia hitohy avokoa ireo hetsika fitakiana sy fitokonana anisan’ny mampiavaka ity fitondrana ankehitriny ity.

 

 

Ravalo tsy Manana

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre