Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Nisangy finoana – Ramatoa maty nitsambikina avy amin’ny rihana fahatelo

Ramatoa iray 42 taona no maty tsy nialana nenina rehefa nitsambikina avy teny amin’ny rihana fahatelo, teny amin’ny trano fonenany eny Andoharanofotsy, omaly maraina tamin’ny 4ora. Vokatry ny dona mafy nahazo ny lohany dia tsy tana intsony ny ainy tamin’ny foana nitondran’ny fianakaviany azy tany amin’ny hopitaly. Manana finoana be io ramatoa io ary te-hitsapa sy hampiseho ny manodidina azy ny herin’ny finoana an’i Jesosy ka izany no antony nahatonga azy nitsambikina.

« Nanontany ny manodidina izy raha afaka hitondra azy ny fahafatesana rehefa mitsambikina avy eny amin’ny rihana fahatelo izy na dia eo aza ny finoany tsy azo hozongozonina. Tamin’izay indrindra dia nandidy ny olona rehetra hivoaka tao an-trano izy satria efa tonga ny fotoanan’ny fahamarinana. Nanaraka ara-bakiteny ny voalazan’ny baiboly dia tsy nisalasala nitsambikina izy », hoy ny loharanom-baovao.

Efa olona niala aina noho izany no novonjen’ny havany teny am-pototry ny trano rehefa nirohotra mba hiezaka hamonjy azy. Na izany aza dia tsy nanome antsipiriany mahakasika ny fitondran-tena ara-pahasalamana na eo amin’ny ara-panambadiana ny niharam-boina ny loharanom-baovao. Ny hany vaovao voasivana amin’ity raharaha ity dia mpivavaka  be io vehivavy io. Mety misy hery mifono zava-miafina ve ny nanosika an’ity ramatoa ity nanao izao fihetsika izao ?

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre