Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Masoala – Telolahy natelin’ny ranomasina

Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dranomasina tany Masoala, ny alahady lasa teo. Lehilahy telo no natelin’ny ranomasina vokatry ny faharatsian’ny teotr’andro. Botry iray izay tsy fanta-pihaviana hihazo an’io toerana voalaza eo ambony io no nidona tamin’ny vato noho ny tafio-drivotra mahery vaika sy ny fisamboaravoaran’ny ranomasina, rehefa tonga tao Namantoana.

Vokany, nipitika avy hatrany ny lehilahy miisa 3 nipetraka teny ambonin’ny tafon’izany botry izany. Nanipazana tady izy ireo ka mbola avotra ny iray tamin’izy ireo fa ny roa no natelin’ny ranomasina. Taorian’ny fikarohana nataon’ireo fokonolona tany an-toerana dia hita ny faty iray raha toa ka mbola karohina ny faharoa.

Mbola tany amin’ny ranomasina manodidina any Masoala ihany fa tany Vinanivao indray. Lehilahy iray mpitatitra entana amin’ny lakana vohizina no navalan’ny rano. Hihazo any Ambodifotsy izy io no nitranga ny loza ary mbola tsy hita popoka ihany koa hatramin’izao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre