Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Antsiranana – Andian-jiolahy nanafika tokantranon’ny teratany italianina

Dimy lahy nitondra zava-maranitra no nanafika tokantranon’ny teratany Italianina, ny sabotsy maraina tokony tamin’ny 4ora, tao amin’ny fokontany Tanambao Atsimo, any Antsiranana. Mbola tao anaty torimaso tanteraka ireo lasibatra tamin’ny fahatongavan’ireo olon-dratsy. Notapahan-dry zalahy tamin’ny zava-maranitra ny vy fiarovana tamin’ny varavarankely izay nahafahan’izy ireo niditra. Nakorontan’ ireto mpangalatra ambony ambany amin’izay ny tao an-trano mba nitadiavany izay  ho robaina. Tamin’izay indrindra anefa no taitra ireo lasibatra ka norahonan’ireo olon-dratsy hamoaka ny vola. Nilaza tsy nanana anefa ilay teratany Italianana ka novelesina tamin’ny hety be dia vaky loha. Ary tsy vitan’izany fa mbola notapahan’izy ireo ny tananan’ilay vazaha. Naratra mafy izy io ka tamin’izay vao nanolotra vola 180 000 ariary an’ireo jiolahy ny vadin’ilay Italianina izay teratany malagasy. Lasa nandositra amin’izay ireo mpangalatra raha vao nahazo izay notadiaviny ka ankoatra ilay lelavola dia voaroba ihany ny koa ny findain’izy mivady sy ny solosaina entin-tanana. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ilay naratra rehefa lasa kelikely ireo jiolahy ary efa nalefa nody rehefa nahazo fitsaboana sahaza azy. Efa mandeha ny famotorana.

 

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre