Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ambohijatovo – Tovolahy iray naratra sady voaroba

Ny loha vaky vokatry ny daroka, ny vola lasa, raha tsy hilaza ny ratra ara-tsaina nihatra tamin’ny tovolahy iray 26 taona, teny Ambohijatovo, omaly tamin’ny 1ora maraina tany ho any. Tratra alina avy tany am-piasanany ilay lasibatra araka ny vaovao voaray no notsenain’ny jiolahy miisa 5 rehefa nidina ny fiarakaretsaka. “Ny tampoka tsy maha-lehilahy”, hoy ny fitenenana, satria nadabok’ireo dimy lahy avy hatrany izy ka tsy afaka nanao na inona na inona. Nanaparan’izy ireo ny herisetrany amin’izay ny anao lahy ka naratra mafy. Ary tsy vitan’ny naratra fa mbola lasan’ireo jiolahy ihany koa ny vola kely tahiry tany am-paosy. Na dia voa mafy aza anefa izy io mbola afaka nihazo ny trano fonenany ihany ny lasibatra. Ireo tao an-trano amin’izay no nitondra azy tany amin’ny hopitaly mba hahazo fitsaboana sahaza azy.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre