Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Fifandonana tany Ilakaka – Malaso 11 maty, fokonolona 3 naratra mafy

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana tany Ilakaka B, omaly vao mangiran-dratsy, tokony tamin’ny 5ora teo ho eo. Andian-dahalo nirongo basy mahery vaika sy zava-maranitra no tonga handravarava izany tanàna izany saingy niala maina. Nanapoaka basy ireo malaso nikasa handroba ny mponina fa tsy nanaiky lembenana ireto farany ka raikitra ny sakoroka teo amin’ny roa tonta.

Soa fa manana fitaovam-piadiana mitovy tamin’ireo olon-dratsy ireo fokonolona toy ny basy, lefona, antsy lava ka tsy nanano sarotra azy ireo ny nifanandrina tamin’ny jiolahy. Tsy niraviravy tanana fa tonga nanampy ireo mponina tany an-toerana ny mpitandro filaminana araka ny loharaom-baovao. Vokany, malaso miisa 11 no maty voatifitra ary olon-tsotra 3 naratra mafy. Sarona niaraka tamin’ireo dahalo namoy ny ainy ihany ireo fitaovam-piadiana nampiasaina sy ireo ody gasy maro be.

Hatramin’ny omaly tokony 11ora atoandro tany ho any dia mbola nitohy ny fifandonana tamin’ny roa tonta. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre