Sabotsy Namehana – Tovolahy marary mafy nodarohan’ny polisy
Tovolahy 34 taona no fantatra fa naratra mafy vokatry ny daroka nataon’ny polisy iray, teny amin’ny kaomisaria Sabotsy Namehana. Ny sabotsy 30 janoary lasa teo no voalaza fa nisehoan’izany. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra dia io tovolahy sy ny mpamily iray hafa niaraka taminy no nodarohin’ny polisy nandritra ny famotarana azy ireo. Ary tsy vitan’izany fa mbola norahonan’ny olona iray mitonona ho kaomisera tamin’ny basy izy ireo. Tsy nety nilaza ny antony nahatonga azy ireo tao amin’izany kaomisaria kosa ny loharanom-baovao.
Fa vokatr’ity daroka ity dia marary mafy eny amin’ny hopitaly Hjra ilay tovolahy. Nandritra ny fizahana natao taminy no nahitana fa misy rà miandrona ao amin’ny lohany. Nilaza tsy hihonina amin’izao fotsiny ny fianakavian’ny marary manoloana ny voina mahazo ny havany.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







