Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

Ambohitrimanjaka – Razana manodidina ny 50 no indray nanjavona

Tsy vao izao no nisian’ny resaka vaky fasana, saingy hatramin’izao dia tsy mbola nahitana vahaolana ny momba izany. Tsy fantatra ihany koa izay tena iafaran’ireo taolana angalarina. Vao omaly no kepoka tsy nahita nolazaina ny fianakaviana iray tompon’ny fasana eny Ambohitrimanjaka raha nahita fa tsy nisy niangana na iray aza ny taolam-balon’ny havan’izy ireo efa nodimandry. Manodidina ny 40 eo ireo razana ireo.

Ny alarobia lasa teo no nahatsikaritra ny fahavakisana ny tompom-pasana raha iny namonjy fandevenana teny an-toerana iny. Nampandre haingana ny fianakaviany ity farany ka io omaly maraina io vao tonga teny an-toerana nizaha ny zava-misy izy ireo. Ranomaso ny an’ny rehetra, manohatra tamin’ny nahafatesan’ireo havany mihitsy raha nahita fa nadiodio ny fasana. Tsy ny azy ireo ihany anefa fa fasana roa eo amin’ny manodidina ihany koa no vaky.

Eo amin’ny 10 eo ny very tao amin’ny fasana iray raha tsy nisy nokitihina kosailay faharoa fa nakorontan’ireo nahavanon-doza fotsiny ihany. “Mbola vao nisava izay ho alainy angamba izy ireo ka mihevitra ny mbola hiverina”, hoy ny olona iray isan’ireo tompom-pasana. Raha ny tombatombana nataon’ireto fianakaviana ireto dia efa ho 5 andro teo no vaky ny fasana. “Efa saika foana avokoa ny fasana telo raha tsy nisy io fandevenana io. Mino mihitsy aho fa notaomin’izy ireo tsikelikely ireo taolana ireo ka ny fasanay aloha no nataon’izy ireo voalohany ka io izy tsy misy na inona na inona io intsony”.

N.F.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre