Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Oniversite Ankatso – Tovovavy roa lasibatry ny mpisoloky

Tovovavy roa indray no lasibatra ny asan-jiolahy ny alarobia tolakandro lasa teo, teny amin’ny oniversite Ankatso. Raha avy nianatra mantsy izy roa vavy dia tsy mbola nody fa nandehandeha nihazo an’iny lalana mankany amin’ny « office du bacc » iny naka sary. Teo indrindra anefa no nisy lehilahy roa nanatona azy roa vavy izay nitonona ho mpiambina eny ary nilaza fa tsy azo aleha eny fa mihidy vonjimaika 24 ora raha tratran’ny lehibe. Vao niala teo kelikely anefa ireo tovovavy dia narahin’ireo lehilahy ary nitondrany fimailo avy niasa izay nataony fa an’izy roa vavy. Nanda mafy moa ireto farany fa tsy azy ireo izany fitaovana izany ka avy hatrany dia nofelahin’ny iray tamin’ireo lehilahy ny tehamaina.

« Tsy nijanona teo fa nosavain’izy roalahy indray ny tany anaty kitaponay roa vavy kanefa nisy solosaina entin-tanana sy finday ary vola tao amin’ilay kitapon’ny namako ary raha vao nahita izany ireo olona dia mody nanontany ny taratasin’izany solosaina izany. Rehefa nilaza fa any an-trano dia nasaina nalaina fa ny iray tsy maintsy mijanona miandry eo fa tsy nety izahay sady niteny hoe ataonao inona ? Ary ireto be famaliana hoy izy ireo ka nakapony ny lohanay roa vavy. Efa mailo izahay teo fa tsy mpiambina ireo olona ireo saingy natahotra izahay. Nasain-dry zalahy nesorina indray ny patalohanay fa tsy nety aho fa ilay namako natahotra dia nanala ny azy. Mety saika hanolana angamba. Poa toy izay dia nandositra izy ireo niaraka tamin’ireo entana sy pataloha », hoy ny fitantaran’ny lasibatra.

Tokony ho mailo noho izany ireo mpianatra eny amin’ity oniversite ity fa tsy kely lalana ireo mpanao ratsy. Ary tokony mody avy hatrany rehefa mirava fa tsy mandehandeha intsony.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre