Vous êtes ici :

Jeudi 16 Mai 2024

ombre

Oram-be mikija – Dibo-drano Antsiranana

Falifaly ny any ambanivohitra fa sahirana kosa ny ety an-tanan-dehibe manoloana ny oram-be tsy mety mitsahatra. Vokatry ny orana mikija mantsy dia dibo-drano ihany koa ny ao an-tampon-tanàn’Antsiranana amin’izao fotoana izao. Nanorana be tany an-toerana omaly 4 febroary vao mangiran-dratsy hatramin’ny atoandro ka difotry ny rano ny toerana maro, araka ny loharanom-baovao. « Ny tena mahasadaikatra manoloana izao voina izao ny fahasahiranan’ireo mpianatra. Mijaly izy ireo mandeha mamonjy toeram-pianarana fa ny tena loza dia tonga ao an-dakilasy ny rano ka tsy misy intsony ny fianarana vanona. Efa folo taona no nipetrahako teto Antsiranana fa izao vao nahita io tanàna io dibo-drano tahaka izao. »

Voakasika amin’ity tranga ity ny tanànan’i Maxime Scama, Barman, sekoly Notre Dame sy Lally Tolendale, fokontany Mahatsara ary eny amin’ny tsena. Mangataka ny mpitondra fanjakana mahefa noho izany ireo mponina any an-toerana hijery ifotony ny zava-misy fa ahiana ny hisian’ny traboina.

Raha tsiahivina dia efa noresahana tamin’ny lahatsoratra iray teto, ny tapaka ny volana janoary iny ny mety haha-dibo-drano ireo toerana voatanisa ireo raha mitohy ny oram-be ka tamin’izay fotoana izay efa nangataka vahaolana tamin’ireo tompon’andraikitra mahefa ny mponina fa tsy nisy fandraisana an-tanana hatramin’izao. Sanatria ve ho dibo-drano manontolo iny tapany avaratra rehetra eto amin’ny Nosy iny vao hikoropaka handray andraikitra ny fanjakana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre