Vous êtes ici :

Lundi 29 Avril 2024

ombre

Ambanidia – Tra-tehaka ilay mpisandoka ho zandary

Nisandoka ho zandary ny lehilahy iray no tra-tehaka ny polisy eny amin’ny boriborintany faharoa, ny alarobia atoandro, tamin’ny 2ora tany ho any. Nisakafo tao amin’ny hotely iray teny Ambanidia izy io no noraisim-potsiny. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy, tsy nandoa vola ilay ranamana fa hoe zandary. Nisy mihitsy ny fifamaliana teo amin’io lehilahy io sy ny tompon’ny hotely. Tezitra mafy tamin’izany ity farany ka niantso ny polisy teny an-toerana. Tonga noho izany ny mpitandro filaminana ka io tokoa ilay lehilahy miaraka amin’ny fanamian’ny zandary. Nosamborina avy hatrany ity farany ary nentina natao fanadihadiana. Teo no nahalalana fa tsy zandary izy io. Ny fanamiana zandary no voalaza fa entiny misoloky ireo olona sendra azy. Araka ny fanambaran’ny kaomisera Patrick Ralainirina dia efa fanaony hatramin’ny ela ny fisandohana ho mpitando filaminana satria tsy teto an-drenivohitra ihany fa tonga hatrany Tsiroanomandidy izany. Mbola tsy nisazy kosa ity mpisoloky ity raha ny filazany, nandritra ny famotorana azy, ary eny Andohamandry izy no monina. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre